Flash
Préc Suiv

Dia ahoana ny ho tohiny?

Dia ahoana ny ho tohiny?

Raikitra ihany ny fidiran’ny mpianatra rehefa nahatsapa ny mpitondra fa vonona hiatrika ny valanaretina pesta ny tontolon’ny fanabeazana. Satria tsy azo hoe hajanona tanteraka ny fianarana kanefa ity taom-pianarana diavina ity no hanombohana ny fanavaozana izay tokony ho vita ny taona 2022. Maro ireo ray amam-dreny mbola be ahiahy ny amin’ny mety hitranga. Ny fiverenan’ny fampianarana teo amin’ny sekoly katolika aza, zary lasa adihevitra be raha nisy ny zaza tsy salama ka namoy ny ainy. Natao hanenjehana ny tsy fanarahana ilay datin’ny 6 novambra napetraky ny fanjakana hiverenana mianatra ilay rahahara. Mipetraka ny fanontaniana hoe mahomby ve ny fepetra noraisiny ary manana ny fitaovana ampy hiatrehana izay mety hiseho ve ny rehetra, indrindra ireo sekoly tsy miankina amin’ny fanjakana? Misy sekoly tsy miankina sasany anie ka na ny tokontany hilalaovan’ny ankizy mandritra ny fakan-drivotra aza tsy misy e! Ka aiza no hananganany efitrano hanokanana ireo ankizy na mpanabe ahina fa voan’ny pesta. Efa baranahiny no nahazatra azy hatrizay ka sarotra ny hiverina amin’ny ara-dalàna. Ny pesta koa, tsy ao an-tsekoly ihany no mety hahazoana azy fa eny rehetra eny.

Miezaka ny rehetra mba hanadio ny manodidina. Ho ezaka mitohy ve sa ho asa mandalo ihany natao hakana ny fon’ny eny ambany tanàna amin’ny asa tana-maro satria efa manangasanga ny fifidianana. Efa hita tokoa ny maharatsy ny loto sy ny havoretrana ka tokony ho mandavantaona ny fanadiovana. Mahamaika ny adilahy politika mifanilika andraikitra fa tsy ny soa ho an’ny besinimaro. Dia ahoana indray ny atao raha manao tampody fohy ny pesta izay sarotra ny hiteny fa voafehy tanteraka? Tsy didim-panjakana no hahavitana izany na kabary ambony vavahady. Mikorontana ny fandaharam-pianarana na notazonina aza ny datim-panadinana samihafa. Samy miandry ny fivoaran’ny toe-draharaha ny rehetra ary manantena fa tsy hisy mpianatra hahazo aretina any an-dakilasy. Iza anefa no afaka hilaza fa ho tanteraka tokoa anie izany?

Vonjy Andrianjaka

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique