Flash
Préc Suiv

Tsy fahasalamana : nalefa hitsabo tena atsy La Réunion ny Pr Zafy

Tsy fahasalamana  : nalefa hitsabo tena atsy La Réunion ny Pr Zafy

 Tsy azo nihodivirana fa tsy maintsy nalefa hotsaboina any ivelany, atsy amin’ny Nosy La Reunion, ny filoha teo aloha, Zafy Albert. Tsy mbola nahitana fivoarana ny toe-pahasalamany teto an-toerana.

 

Nanainga, omaly tolakandro nihazo ny Nosy La Réunion ny tenany rehefa nandalo notsaboina tetsy amin’ny hopitaly Befelatanana sy ny poliklinika teny Ilafy, afakomaly. Voalaza fa efa nihatsara ihany ny toe-pahasalamany, saingy ilana fanaraha-maso akaiky ka izao nandraisana fanapahan-kevitra nalefa any ivelany izao. Nialoha izany anefa, nokasaina hiandrasana ny zanany tokony ho tonga alina avy any Frantsa ny handefasana ny Pr Zafy atsy amin’ny Nosy La Réunion. Niova tampoka izany ny fanapahan-kevitra ka mety hivantana avy hatrany any amin’ity Nosy ity ny zanany izany. Hatreto aloha, manara-dia mijery ny toe-pahasalamany lasa any ivelany koa ny dokotera malagasy iray, ankoatra ny fianakaviana.

Mampita ny vaovao hatrany momba ny fivoaran’ny toe-pahasalaman’ny “Rain’ny demokrasia “ ity ny eo anivon’ny antokony, UNDD mba tsy ho tompon-trano mihono ny vahoaka malagasy, araka ny fanambarana.

Tsiahivina fa anisan’ny tonga namangy ny Pr Zafy Albert, teny amin’ny poliklinika Ilafy ny filoha teo aloha, Ravalomanana, omaly maraina.

Mandray an-tanana ny fitsaboana  rehetra ny filoha Zafy ny fitondrana. Manana ny sata maha filoha teo aloha azy rahateo ny tenany ka misitraka izany.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.