Flash
Préc Suiv

Raharaham-panjakana : nomena fitaovana ny prefet sy ny sefo distrika…

Raharaham-panjakana : nomena fitaovana ny prefet sy ny sefo distrika…

Hatsaraina bebe kokoa. Nomena boky, torolalana ahitana ny rijan-tenin-dalàna ireo lehiben’ny distrika sy ny prefet manerana ny Nosy. “Hanamora kokoa ny asanay sy ny fiaraha-miasa amin’ny olom-boafidy eny anivon’ny kaominina, toy ny ben’ny Tanàna sy ny lehiben’ny Faritra izao fitaovana izao. Ahafahanay manara-maso ny asa rehetra sy hanavaozana ny fomba fiasa”, hoy ny sasany amin’ireo lehiben’ny distrika, niatrika izany tetsy Anosy, omaly. Anisan’ny nanohana sy nanampy izany ny eo anivon’ny Vondrona eoropeanina amin’ny alalan’ilay tetikasa “Fanjakana ho an’ny olon-drehetra”. Nambaran’ireo nandahan-teny fa ahafahan’izy ireo miasa malalaka izao fitaovana izao ary tsy tokony hijerena loko na fiaviana politika sady liana fifampitokisana. Manampy izany ny fahatongavan’ny fahefam-panjakana eny ifotony. Tsiahivina fa ahitana ireo rijan-tenin-dalàna samihafa izany boky izany.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.