Flash
Préc Suiv

Fara West Faravohitra : hitondra ny blues, rock ary jazz ny Oxow

Fara West Faravohitra : hitondra ny blues, rock ary jazz ny Oxow

Tsy voafetran’ny karazan-gadona na mozika ny mpanakanto iray. Porofoin’ny Oxow hatrany izany, isaky ny misy fotoana iarahana izy ireo. Rock mandao ny blues ka hatrany amin’ny jazz, samy lalaovin’i Andry Ramamonjisoa sy ny namany avokoa izany. Ho an’ireo liana sy efa mpankafy, manome fotoana ny tia mozika izy ireo ny asabotsy hariva izao, etsy amin’ny Fara West Faravohitra.
Samy manana ny tarika iarahany, ary samy manana ny manavanana azy, saingy rehefa tafaraka dia mbola manome kanto hafa koa ry zalahy ireto. Manampy an’i Andry Ramamonjioa (gitara) i Naly Rabarisoa (amponga maroanaka), Titi Razakamiadana (saxophone) ary Eric Rakotoary (gitara beso). Tsy ho mpitendry mpanaraka aorian’ny mpihira fotsiny intsony, fa hanana sehatra hanehoany ny talentany tsirairay sy miaraka izy ireo.

Zo ny Aina

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique