Flash
Préc Suiv

Tsy te hahalala afa-tsy fifidianana filoham-pirenena ny OIF

Tsy te hahalala afa-tsy fifidianana filoham-pirenena ny OIF

Mitovy hevitra avokoa ny sehatra iraisam-pirenena. « Efa voasoritra mazava fa hatao amin’ny taona 2018 ny fifidianana filoham-pirenena sy solombavambahoaka… », hoy ny iraka manokan’ny Frankofonia (OIF), ny Jly Siaka Sangare, omaly teny Alarobia, raha nanontanian’ny mpanao gazety. Tsy misy resaka fanitsiana lalàmpanorenana izany amin’ny taona ho avy io.  Manaraka akaiky ny fikarakarana sy fanomanana ny fifidianana filoham-pirenena sy depiote ny anton-dian’izy ireo eto amintsika. Tafiditra ao anatin’izany ny lisi-pifidianana. “Hampahafantarina ny zoma izao ny vokatry ny fanadihadiana nataonay momba izany”, hoy izy. Nanteriny fa sarotra ny hiantohana fifidianana mangarahara tanteraka hatrany amin’ny 100%. “Na izany aza anefa, ilaina ny lisi-pifidianana madio miainga avy any ifotony », hoy ihany ny vahiny.

Mbola hanao amboletra sy hikiribiby ny fitondrana

Midika izany fa tsy azo ihodivirana ireo fifidianana roa ireo : filoham-pirenena sy solombavambahoaka, amin’ny 2018. Efa samy nanamafy izany avokoa ny avy amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Anisan’izany ny eo anivon’ny Firenena mikambana (ONU), tamin’ny fahatongavan’ny iraka manokana teto,  sy ny Pnud, amin’ny alalan’ny solontenany eto amintsika. Eo koa ireo firenen-dehibe, toy ny Amerikanina sy ny Aléma. Efa nanokana vola hanampiana sy hanohanana antsika amin’izany izy ireo. Eo koa ny fanehoan-kevitry ny mpanao politika eto an-toerana sy ny fiarahamonim-pirenena. Samy mitsipaka marindrano ny hanaovana izany satria tsy mbola fotoany na ekena aza fa misy lesoka io lalàmpanorenana io. Mbola hanao amboletra sy hikiribiby hanitsy lalàmpanorenana sy hampanao fitsapan-kevi-bahoaka ihany izany ny fitondrana ?

Synèse R.

 

Les commentaires sont fermées.