Flash
Préc Suiv

Resaky ny mpitsimpona akotry : samy mitsoaka nefa samy mandoza

Nandavaka dia nahavita làlana ambanin’ny tany ny gadralava dimy lahy izay nitsoaka avy ao amin’ny fonjan’i Tsiafahy. Marary izay taorian’ny fitiliana natao azy dia fantatra fa voan’ny aretina pesta no vetivety eo  koa dia tafaporitsaka tsy hitan’ny mpitsabo fa lasa nandositra tsy fantatra any ivelan’ny toeram-pitsaboana. Tsy indray mandeha na indroa fa efa maromaro izay ny fisehoan’ny zava-doza toy izany. Mazava hoazy fa loza mitatao eto amin’ny fiaraha-monina ireo gadra nandositra avy amin’ilay fonja fandefasana ireo olon-dratsy voalaza ho mahery setra sy mampiahiahy noho ny ratsy nataony. Tsy noho ny asa ratsy vitany kosa fa mamoafady mety hitera-doza koa anefa ireo mararin’ny pesta nitsoaka. Fantatra fa ny fikasokasohany amin’ny olon-kafa dia mamindra ilay aretina miotrika ao aminy, aretina izay miampitapita hatrany ka manampy trotraka ny fielezany.

Tsy maivana noho izany koa ny loza naterak’ireo tompom-pahefana izay na tsy niepoka nidify aza nefa nitsoaka adidy lany andro tamin’ny fifanilihana andraikitra mikasika ny adidy tsy noefaina ara-penitra. Very fotoana nefa hazakazaka ny fomba enti-miady ahafahana mifehy haingana ity aretina izay maniditsidina ny fifindrany ity.

Tsy tena mitovy amin’ilay pesta iray miverimberina isan-taona izay ahilika any amin’ny loto sy fako ny anton’ny fitrangany sy ny fieliny fa ny fofon’aina no làlan’ny fifindran’izy ity. Ary raha sanatria maty ny marary dia miotrika ao anatin’ny razany ilay aretina. Izany no tsy ahafahana mandevina azy any anaty fasan-drazana izay mbola ho sokafana rehefa misy fahoriana any aoriana. Eo koa dia mbola karazana adivarotra mihitsy sanatria no mitranga, indrindra ny handresena lahatra ireo fianakaviana mana-manjo ny amin’ny tokony handevenana ny fatin’ilay olona voan’ny pesta amin’

ny fasana an’irotra mba tsy azo ho fongarina. Tamin’izany koa aza anefa mbola nisy ihany ny “fitsoahan’ny razana” efa nalevina. Tsy fahagagana akory ka hoe nandositra tamin’izao ilay faty, fa ny havany tsy nahafoy azy ho toy ny olona very faty no naka azy an-tsokosoko. Mbola loza hafa koa izay. Mazava ho azy fa maizina ho an’ny maro ny tena marina mikasika an’ity aretina ity. Tsy afaka melohina noho izany anefa ny minisiteran’ny Fahasalamana raha nandefa fampilazana amin’ny alalan’ny SMS mikasika izay fepetra tokony ho raisina raha mitranga ny fisehon’ilay aretina. Tsara koa angamba raha nohazavazavainy toy izany ny fepetra entin’ny tsirairay hiarovan-tena.

Léo Raz

 

Une réponse à "Resaky ny mpitsimpona akotry : samy mitsoaka nefa samy mandoza"

  1. Ilo ANDRIANARIVELO  12/10/2017 à 15:07

    Anisany fiarovana amin’ny pesta pulmonaire, ny fitondrana takom-bava, ary ny vaovao iray any ivelany ary dokotera manampahaizana momban’ny pesta no miteny anio, Izao anefa mahantra ny malagasy ary lazaina ombieny ombieny fa isaky ny adin’ny telo dia tokony soloina ny takom-bava, ireo avy ao amin’ny OMS nefa milaza fa tsy ilaina ny takom-bava.
    Rehefa mandinika anefa ianao miha-mitombo ilay aretina, misy foana ny voa isan’andro, sao lahy tara loatraisika ka efa mihanaka vao hoe ilaina ny takom-bava, sao dia io ihany no tsy mampiely haingana ny pesta pulmonaire, maha lasa saina mantsy fa toa mihamitombo isan’andro ny voa.
    Sao ny fizarana ireny no fanafody haingana tsy hampihanaka ny pesta, fa tsy lany andro manisa ny voa sy ny tsaboina.
    Ny tena raha manao ireny ohatrany sampona satria toa tsy misy intsony ny mitondra izany.
    Andriamanitra koa mba te handray anjara miaraka amin-tsika amin’ny ady atao amin’ny pesta, amin’ny alalany vavaka, ny FJKM ARM izao dia hanao vavaka manodidina an’Antananarivo, ary anisany ho entina am-bavaka koa ny pesta. Tokony asiana koa ve ny téléton pesta, na dia hividianana sarom-bava ihany aza.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique