Flash
Préc Suiv

Rakotomanga Eric : « Efa tsy eken’ny olona intsony io fitondrana io »

Rakotomanga Eric  : « Efa tsy eken’ny olona intsony io fitondrana io »

 Aiza ho aiza ny fifandraisana eo amin’ny vahoaka sy ny mpitondra? Maneho ny fijeriny ny filoha nasionalin’ny AKFM, Rakotomanga Eric: « Manjary mahita lalan-kafa indray hifehezany ny fanjakana ny fitondrana, nefa efa tsy eken’ny olona intsony. » Dinidinika…

 

Gazety Taratra (*): Ahoana ny fahitanao ny toe-draharaham-pirenena amin’izao fotoana izao?  

       

Rakotomanga Eric (-): Efa iarahantsika mahita hoe mihazohazo io… Toa mionona ny vahoaka hoe tsy mahazaka intsony; ny fitondram-panjakana, izay fa efa tsy mahafehy intsony ny fitantanana: manjary mahita lalan-kafa indray hifehezany izany fitondrana izany, nefa efa tsy eken’ny olona intsony… Amin’ny fiatrehana ny fihanaky ny pesta, ohatra: tsy hita izay tena fandraisana andraikitry ny mpitondra fanjakana, fa resaka no betsaka. Tsy mbola voafehy tsinona ny aretina.

Mazava loatra fa iaraha-mahita izao: tena misaraka tanteraka ny tombontsoa heverin’ny mpitondra arovany sy ny tombontsoan’ny vahoaka heveriny hotakina. Na ho ela na ho haingana, tsy maintsy hisy farany ny fipoahan’izany tombontsoa mifanipaka izany na ahoana na ahoana.

Azo lazaina hoe toa mandrimandry manana aretina avokoa ihany isika vahoaka malagasy amin’izao fiainam-pirenena izao. Nefa zava-doza no ambadik’izay…

* Raha ny fijerin’ny mpitondra, mety sy mandeha avokoa izay ataony…

 – Ara-drariny raha miteny izy fa mandeha avokoa ny zava-drehetra amin’ny fijereny ny tombontsoany. Nefa mahita tsara ny vahoaka miaina ny politika ampihariny fa tsy mandeha ny fiainany. Mandeha ny fiainam-pirenena amin’ny filoham-pirenena; amin’ny vahoaka, tsy mandeha ny fiainany andavanandro…

Ahoana moa ny fijery an’izany? Raha ny marina, safoin’ny mpitondra avokoa ny fitakiana ataon’ny olona rehetra: ankapobeny no itondrany azy ka toy ny hoe tena mijery ny fahoriam-bahoaka tokoa izy, nefa tsy tonga amin’izany.

Raha ny tena marina, entiny hanakonana ny zava-tsy vitany nandritra izay fotoana lavabe nitondrany izay ny zava-drehetra ataony isan’andro izao. Na manao ny fomba taloha hoe mitokana zava-bita, izay tsy hita izay tena hoe maha zava-bita azy; na manararaotra ny fivoriana etsy sy eroa mba hisehoana fa tena miasa ny filoham-pirenena; na mamorona lanonana hampisehoana fa miasa izy… Midika izany rehetra izany mitambatra fa fanaovana fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana, tsy ara-dalàna.

* Ahoana ny amin’ny fikasana hanitsy ny lalàmpanorenana?

– Nambarany fa ny And. 47 izay milaza ny tokony hanatanterahana telopolo andro farafahakeliny ary enimpolo andro farafahabetsany ny fifidianana alohan’ny fiafaran’ny fe-potoana fiasan’ny filoha am-perinasa.

Raha ny fanazavany, tsy mety avokoa ny fifidianana teo aloha. Satria tsy mbola nampiharina io andinin-dalàna iray io, fa tsy ho tratra io raha tena hampiharina. Ny tena marina, hoe tokony hovaina io andinin-dalàna io. Ny fanontaniana: nahoana no tsy nahita an’izay izy tany am-boalohany? Nefa io lalàmpanorenana io no nahalany azy eo. Ny faneken’ny vahoaka an’io no nandaniana azy eo. Nahoana no tsy hitany tany am-boalohany izay?

Manaraka izany, ndeha hatao hoe vao nandray fitondrana izy ka tsy tsinjony izany: maninona taty aoriandriana kokoa sy efa akaiky fifidianana vao mihazakazaka manao an’izay? Tsy azo hadinoina, lasa lamaody aty Afrika indray izao ny fanovana lalàmpanorenana. Mba hetsehina koa i Madagasikara hieritreritra an’io. Midika izany fa mbola misy tanana avy any ivelany any ambadika any, mandamindamina an’i Afrika iray manontolo. Tokony hahatonga saina antsika Malagasy hoe: inona no ambadik’izany?

* Ary ny amin’ny fampihavanam-pirenena ihazakazahan’ny mpitondra amin’izao?

– Raha tena jerena, mifanindran-dalana amin’ny fivorian’ny fikambanana isam-paritra. Mazava izany fa fametrahana rafitra hampandaniana ny filoha. Mazava fa tsy eken’ny vahoaka malagasy io fampihavanam-pirenena io, fa tsy mifanitsy amin’ny atao hoe fihavanana tadiavin’ny maro anisa. Fihavanana lazaina fa hijerena ny tombontsoan’ireo mpanao politika.

Marihiko ny tenin’ny mpikambana iray amin’ny Filankevitry ny fampihavanana malagasy (FFM), raha vao vita ny fianianana: anisan’ny lohalaharan’ny asan’ny FFM ny fanonerana ho an’ireo niharam-pahavoazana tamin’ny krizy. Resa-bola izany no tena voalohany. Mazava izany: tsy fihavanana fa fitadiavam-bola. Manaraka izany, vao nanomboka fotsiny ny fananganana ny rafitra: misy mitsipaka. Efa tsy matoky rahateo ny vahoaka. Toy ny tsy fahatokisany ny Ceni.

Raha ny marina, tsy resaka politika ny fihavanana sy fampihavanana, fa  kolontsaina malagasy. Noho izany, tsy amin’ny alalan’ny lalàna na politika no hisian’ny fampihavanana eto, fa amin’ny alalan’ny fivoaran’ny fiarahamonina ihany. Noho izany, tokony hiainga any ifotony izy ireo, indrindra ny any amin’ny faritra izay samy manana ny olobeny avy.

* Nilaza ny filoha hoe mahalala ny fahasahiranam-bahoaka?

– Tsy mino aho hoe fantany ny fahasahiranam-bahoaka. Tsy hoe tsy andraisany vaovao akory, fa tsy laharam-pahamehana aminy. Fantany ny hoe tsy fandriampahalemana, miakatra ny vidim-piainana… Fa tsy fantany ny fahoriana iainan’ny vahoaka vokatr’izay. Karazan’ny fandambolamboana sy vahaolana ambony latabatra fotsiny no hitany, fa tsy ny fototry ny olana sy ny fomba hamahana azy.

Nangonin’i R. Nd.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique