Flash
Préc Suiv

Hevitry ny mpanakanto : « Mila havoaka ny voka-pikarohana », hoy Ratovo

Hevitry ny mpanakanto  : « Mila havoaka ny voka-pikarohana », hoy Ratovo

Mpikaroka efa naneho ny voka-pikarohany teo anivona sehatra maro Ratovo na Ratovo Valiha. Tao ny teto an-toerana fa nisy ihany koa ny tany ivelany. Iray amin’ireo mpampianatra sady mpikaroka nahavita ny valiha « chromatique » izy. « Tsy tokony hokobonina ho an’ny tena samy irery ny voka-pikarohana fa mila zaraina raha te hahita fivelarana », hoy izy. « Nahita ny valiha « chromatique » aho, nanoratra boky momba izany ihany koa ary miezaka ny hizara amin’ny mpiara-belona », hoy hatrany Ratovo. Raha ny fanazavany hatrany, anjaran’ny tsirairay raha handray na tsia ireny voka-pikarohana ireny izy ireo. Tsy andraikitry ny mpikaroka intsony ny amin’izay. Fantatra fa efa eo amin’ny dingana faharoa, ankehitriny, ny fanoratan-dRatovo ny boky sy ny « accord » rehetra rehefa mitendry ny valiha « chromatique ». Tahaka izany ihany koa ny fampianarana ito zavamaneno nanaovany fikarohana ito.

Marihina fa « diatonique » ny valiha fitendrin’ny Malagasy hatramin’izay. Izany hoe, zavamaneno tsy ahitana ireo hazo mainty, raha oharina amin’ny piano. Ilay karazan-kira antsoina hoe « kalo » no fanao aminy. Taty aoriana, niampy izany ka efa misy mampiasa ny valiha hanarahana jazz, flamenco, sns.

HaRy Razafindrakoto

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique