Flash
Préc Suiv

Andrianoelison José : « Misy kajikajy politika « 

Andrianoelison José  :  « Misy kajikajy politika « 

« Kajikajy politika ny fijeriko azy », hoy ny minisitry ny Fiompiana sy ny fambolena teo aloha, tamin’ny Repoblika II, Andrianoelison José na José Kely, momba ny fikasan’ny fitondrana amin’izao fotoana izao hanitsy ny lalàmpanorenana.

Manana safidy ny filoha Rajaonarimampianina, raha tena te hitana ny teny nomeny. Na mandresy lahatra ny mpanao politika rehetra izy hoe: tombontsoantsika rehetra io fikitihana ny lalàmpanorenana io. Amin’izay fotoana izay, angamba, mety hamaly ny mpanao politika sasany hoe tsy matoky ny fitondrana intsony hitantana ny fifidianana manaraka.

Koa raha izay fanitsiana lalàmpanorenana izay no hatao: eny àry fa halavaina ny fe-potoam-piasan’ny filoha, fa tsy izy intsony no mitantana ny fifidianana manaraka eo.

 

Misy ny andininy sasany tsy ampiharina amin’ny lalàmpanorenana

 « Misy koa andininy sasantsasany amin’ny lalàmpanorenana, izay tsy mihatra na tsy azo , fa tsy vitan’ny fanjakana ny mampihatra azy », hoy Andrianoelison José. Raha ny marina amin’izao fidiran’ny mpianatra izao, ohatra: tsy tokony hisy olona mandoa vola na iraimbilanja aza amin’ireny sekoly fanabeazana fototra tantanin’ny fanjakana ireny. Satria izay no voasoratra ao amin’ny lalàmpanorenana. Hokitihina koa izany? Tokony hokitihina satria tsy vitan’ny fanjakana, ary tsy manana vola amin’izany isika izao. Soa ihany, te hampianatra ny zanany ny ray aman-dreny, mandoa vola ihany na sahirana aza.

R. Nd.

 

Une réponse à "Andrianoelison José : « Misy kajikajy politika « "

  1. Faralahy  12/10/2017 à 11:05

    Ny lojika dia mampiseho fa tsy voatery hitovy hevitra daholo ny olona; na ny mpisehatra politika na ny vondron’olona samihafa na ny olompirenena aminny ankapobenyFombanjavatra izany fa na tiana na tsy tiana, ny marina dia tokana ihany.Raha ny voalaza eto dia manaiky aho fa marina loatra satria io fitongilanana io no efa nahafatiantoka antsika hatramin’izay.Aoka hifanarahana ny fanapahana eto amin’ny Firenena dia handroso isika satria efa latsaka anaty lalina loatra ary tsy misy fifampatokisana intsony.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique