Flash
Préc Suiv

Bemasoandro: manjaka ny halatra anaty fiara

Bemasoandro: manjaka ny halatra anaty fiara

Mirongatra izaitsizy indray tato ho ato ny halatra anaty fiara mipetraka anaty parking eny Bemasoandro Itaosy. Ankoatra ny vaky trano izay isan’ny mampikaikaika sy mampandry an-driran’antsy ny olona, any amin’ny halatra anaty fiara indray ny jiolahy no manao ny ataony. Tsy lavitra ity toerana ity anefa ny biraon’ny zandary, saingy sahin’ireo olon-dratsy ny miditra ao amin’ilay parking misy ireo fiara mipetraka. Araka ny fanazavana voaray hatrany, efa nisy jiolahy tratran’ireo mpiambina parking namaky fiara ka nentin’izy ireo teny amin’ny zandary, saingy votsotra ho azy ilay jiolahy fa hoe tsy misy mpitory araka ny fanazavan’ireo olona nahita ny zava-niseho. Betsaka, araka izany, ireo olona mitaraina ho very auto radio, baffle, kodiarana. Vao tamin’ny omaly tamin’ny 2 ora maraina, naheno zavatra vaky ny mpiray tanàna ka samy nihainohaino, saingy tsy nahita na inona na inona. Efa maraina vao taitra ny teo an-tanàna nahita fa vaky ny fitaratry ny fiara Sprinter saingy nandrehitra jiro ny tompon-trano tamin’ny alina ary lasa nitsoaka ireo olon-dratsy ka tsy nahazo na inona na inona.

Randria

Les commentaires sont fermées.