Flash
Préc Suiv

Tantara mitohy : hisy fizarana 250 ny « Tsisy mipika »

Tantara mitohy  : hisy fizarana 250 ny « Tsisy mipika »

Andro vitsy sisa ! Ny alatsinainy 18 septambra izao, halefa voalohany ao amin’ny fahitalavi-pirenena ilay tantara mitohy « Tsisy mipika » novokarin’ny orinasa Scoop Digital, izay ahitana fizarana 250. Manana endrika nasionaly izy ity satria « nokajina ny hanomezana vahana ireo kolotsaiana isam-paritra », hoy ny mpanatontosa. Niainga teo amin’ny fandrafetana ireo mpilalao, izay ny 30% , avy any amin’ny faritra avokoa. Nomena lanja ihany  ireo kolontsaina sy fahasamihafana (toerana nakana ny sary…) mampiavaka ny Malagasy sy i Madagasikara. Ahitana ireo olo-malaza sy matihanina eo amin’ny tontolon’ny sinema malagasy ny mpilalaon’ny « Tsisy mipika ». Anisan’ireny i Dah Mama, Akomba, sy ireo hafa eo anivon’ny Scoop Digital.

Tantara niseho tamin’ny tanàna iray ny « Tsisy mipika ». Noho ny adin-tany sy harena, niseho ny disadisa tamina fianakaviana roa. Vokany, mikorontana ny fiarahamonina. Miezaka ny  mandray ny andraikiny ireo raiamandreny amin’ny sehatra samihafa hatramin’ny mpitondra fivavahana, saingy indrisy fa sarotra ny fandidiana… !

HaRy Razafindrakoto

Les commentaires sont fermées.