Flash
Préc Suiv

G’Nuine – Dihy ara-panatanjahantena : tanterahina, anio, ny « Challenge #1 »

G’Nuine – Dihy ara-panatanjahantena : tanterahina, anio, ny « Challenge #1 »

Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-25 taon’ny IST Ampasampito, hotanterahina anio manomboka amin’ny 10 ora maraina, ao amin’ny Cafétaria Esca Antanimena, ny « Challenge number One » na ny « Challenge #1 ». Hetsika hamoriana ireo « clubs de danse » mpiangaly dihy ara-panatanjahantena eto amin’ny faritra Analamanga sy Vakinankaratra.

Dihy handraisana anjara ny “latino” sy « afro-latino », toy ny bachata, salsa, kizumba, paso doble, jive, rumba, samba. Hisy ihany koa ny filatroana iarahana amin’ny Bika Gasy. Andiany voalohany ity hetsika karakarain’ny vondrona mpandihy G’Nuine ity.

HaRy Razafindrakoto

Les commentaires sont fermées.