Flash
Préc Suiv

Fifidianana 2018 : efa maka bahana ny Ceni

Fifidianana 2018  : efa maka bahana ny Ceni

Nitondra fanazavana. « Manomana ny hiatrehana ny fifidianana filoham-pirenena izahay izao. Resaky ny mpanao politika any ambadika any ny fanitsiana lalàmpanorenana fa tsy misy idiranay », hoy ny filohan’ny Ceni, Rakotomanana Hery, omaly, tetsy Alarobia. Nambarany fa henon’izy ireo avokoa izany resaka izany. Na izany aza, nanteriny fa hojerena ny lalan-kizorana sy ny hanatanterahana izany ara-teknika rehefa tena fanapahan-kevitra ofisialy ny hanitsiana lalàmpanorenana. « Hilaza ny hevitray ihany izahay rehefa eken’ny rehetra ny hanaovana izany. Tsy afaka hiteny na inona na inona izahay. Tsy mbola amin’izany koa anefa izao aloha fa mibanjina sy mieritreritra ny fifidianana filoham-pirenena izahay izao », hoy ihany izy. Nitondra ny tatitry ny ezaka vita hatramin’ny taona 2015 no ho mankaty izy ireo. Anisan’ny nisongadina tamin’izany ny nanaovana tombana ny vita sy ny fijerena ny vina, hiatrehana ny ho avy. “Hampiakarina ny traikefan’ireo mpikambana rehetra sy ny mpiara-miombona antoka. Eo koa ny fanatsarana ny lalàm-pifidianana. Manampy izany ny fijerena hatrany ny lisi-pifidianana ary koa ny fampitaovana”, hoy ihany ny filohan’ny Ceni.  Miandry ny ho fizotry ny raharaham-pirenena, indrindra fa ny hanitsiana ny lalàmpanorenana izany izao ny mpikarakara fifidianana.

Synèse R.

 

Les commentaires sont fermées.