Flash
Préc Suiv

Tsiazotafo : efa-dahy voasambotry ny polisy

Tsiazotafo : efa-dahy voasambotry ny polisy

Voajokon’ireo polisy nanao fanamiana sivily avy eny amin’ny boriborintany fahatelo ireo mpanendaka mpijoko poketran’olona teny Tsiazotafo sy Behoririka, afakomaly, tamin’ny 10 ora maraina. Voasambotra teo am-panendahana poketra ny lehilahy roa teny Tsiazotafo, ary lehilahy roa teny Behoririka. Mbola hita teny amin’izy ireo ny poketra avy nendahin’izy ireo. Iray hafa koa, voasambotry ny polisin’ny boriborintany voalohany. Ity farany izay efa mpamerin-keloka ka mbola tratra teny aminy ny antsy sy saron-tava iray.

Miandahy miambavy ary hatramin’ny ankizy no manendaka sy mangarom-paosy eto an-dRenivohitra. Mihaohao manerana izay toerana be olona izy ireo. Hatramin’ny fampiasana zaza eny am-babena mba handrebireberana olona, vitan’ireo olon-dratsy. Anaty fahantrana lalina ny olona, ka ny teti-dratsy sisa hitany hamelomana ny tenany.

Niaiky ny heloka vitany ireo voasambotra ary natolotra ny fampanoavana, omaly.

Yves S.

 

Les commentaires sont fermées.