Flash
Préc Suiv

Tanàna madio : azon’ny fokontany Atsimomparihy ny loka

Tanàna madio  : azon’ny fokontany Atsimomparihy ny loka

Lasan’ny fokontany Atsimomparihy, ao amin’ny kaominina Ambohidratrimo, ny laharana voalohany tamin’ny fifaninanana tanàna madio, nokarakarain’ny orinasa Vivo Energy. Tanjon’ny hetsika ny hanentana ny mponina hikarakara sy hikolo ny tanàna sy ny zaridaina ao amin’ny fokontany misy azy. Sivy ny tanàna nandray anjara fa niavaka ny nikoloan’ny vahoaka ny farihin’Amparihy, ka nanomezany azy ireo ny laharana voalohany. Notolorana toeram-panariana fako 40, seza ho an’ny daholobe vita amin’ny vato, zanakazo ary vola hoentina hanamboatra paompin-drano ny loka azon’ny fonkotany tamin’ny Vivo energy.

Andraikitry ny daholobe ny fiarovana ny tontolo iainana, ka manohana hatrany ny tomponandraiktira eny ifontony ny Vivo energy amin’izany hetsika izany”, hoy ny mpiandraikitra ao amin’ny orinasa Vivo, Razakaboana Johanne, ny alarobia teo.

Taorian’ny fanomezana ny fitaovana (loka), niara-namboly ny zanakazo manodidina ny farihy avy hatrany ny rehetra.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.