Flash
Préc Suiv

Raikitra ny ady amin’ny dahalo ambony latabatra

Raikitra ny ady amin’ny dahalo ambony latabatra

Fampiharana sisa fa raha ny fampanantenana sy ny fievotrevotry ny mpitondra tamin’ny lahateny, hihena tsy ho ela ity tsy fandriampahalemana sy tsy filaminana manerana ny Nosy ity. Hihatra amin’izay ny Rindra safatsiroa  ho an’ny fandriampahalemana (RSS), manomboka izao. Nampanantena ny hiady amin’ny dahalo ambony latabatra izy ireo, omaly teny amin’ny CCI Ivato tamin’ny lahateniny, ankoatra ny ady sasany, nambaran’izy ireo fa efa hirosoana. Anisan’izany  ny ady amin’ny kolikoly sy ny fahaleovantenan’ny fitsarana. “Marobe koa ireo dahalo ambony latabatra”, hoy ny filoha Rajaonarimampianina.

Tsiahivina fa ahitana fanovana maromaro ny rafitry ny fametrahana fandriampahalemana ao anatin’ity RSS ity. Handrindra sy hitantana izany ny komity teknika (CTO-RSS).

Mba tsy ho kabary sy an-taratasy na kobaka am-bava fotsiny ihany fa  hihatra izany ary handry fahalemana ny rehetra, manomboka izao…

Randria

 

Les commentaires sont fermées.