Flash
Préc Suiv

K3F : « Aoka tsy hanaovana bemarenina ny eveka ”

Tsy an-kiato ny fitakina. “Mazava ny taratasin’ny eveka, ny volana aogositra teo, sy ny hafatry ny FFKM, tamin’ny pantekoty teo, momba ny tsy filaminana sy tsy fandriampahalemana. Latsaka aina isan’andro ny vahoaka malagasy, saingy tsy misy mihaino. Ekena fa efa maro ireo mikatroka amin’izany saingy tsy ampy ny firaisankina”, hoy  ny Komitin’ny fahamarinana sy ny fandriampahalemana ary ny fiadanana (K3F), Ramananda. Nambarany fa sehatra iray hanehoana firaisankina sy hifanentanana hampiasana ny feon’ny fieritreretana ity komity nantsangan’izy ireo any Fianarantsoa ity ary ezahina haparitaka eny ifotony. “Tanjona ny fandraisana andraikitra tsy hiverenan’ny tranga tahaka izao miseho eto amin’ny firenena izao intsony. Karazana arofanina hametraka filaminana sy fandriampahalemana hiadanan’ny vahoaka ny K3F”, hoy ihany izy.

Tsahivina fa miray feo amin’ny Justice et Paix Fianarantsoa izy ireo ary mampahatsiahy hatrany ny hafatry ny raiamandreny am-panahy. “Antsoina isika rehetra haneho fiombonana araka ny hafatry ny eveka sy ny FFKM… Hampitsahatra izao fomba fitantanana tsy mahomby izao ny ezaka ataontsika miaraka”, hoy ny fanambaran’izy ireo miaraka, ny volana jona teo. Midika izany fa mbola mitohy ny fitakiana ny amin’ny hametrahana fandriampahalemana sy filaminana eto amin’ny firenena. Anisan’izany ity komity iray ity.

Synèse R.

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique