Flash
Préc Suiv

An-kitsim-po : tapaka ny jiro

Tsy miditra amin’ny voambolana ny mpanjifa na delestazy na fahatapahana ara-teknika. Ny hany fantany, famatsiana herinaratra sy rano mitohy, tambin’ny fandoavany ny faktiora. Hatreto, tsy feno ireo fepetra ireo satria tapaka matetika ny jiro eto an-dRenivohitra. Tsy vao izao izany fa efa mateti-pitranga. Tsy fahatapahana lavareny fa fohy nefa matetika, hany ka miantraika amin’ny fitaovana ampiasana herinaratra.

Mitombo koa ny ahiahin’ny mpanjifa satria hiditra amin’ny maintany isika, efa mpitranga isan-taona. Tsy maintsy hilaza ny Jirama fa ritra ny loharano mamatsy ny tohodrano mpamokatra herinjiro. Efa nampitomboana ireo milina manodina herinaratra toy ny eny Mandroseza sy Ambohimanambola vokarin’ny orinasa tsy miankina, tokony ho vita tanteraka tamin’ny volana aogositra sy izao septambra izao. Izany hoe, tsy tokony hisy intsony ny valinteny hilazana fa tsy ampy ny herinaratra. Aoka tsy hohadinoina, tsy mbola ampy ny herinaratra any amin’ny faritra maro. Tsy eto Antananarivo ihany no i Madagasikara, fa maro ireo miaina anaty aizina.

Randria

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique