Flash
Préc Suiv

Hovana ahoana e ?

Hovana ahoana e ?

 Mirona mankany amin’ny fanitsiana na fanovana lalàmpanorenana ny mpitondra. Fomba efa fanaon’ireo mpitondra nifandimby efa nahazatra teto izany, saingy hita hatrany ny maharatsy azy. Mijery hatrany ny akanjo antonona azy  isaky ny tonga eo amin’ny fitondrana ny mpitondra. Ny an’ny firenen-dehibe fakantsika tahaka io anefa, anjato taona tsy mba miova izany fa ifandimbiasan’ny mpitondra eo ny lalàmpanorenana. Matoa miditra hitantana, efa mivonona ny hankato sy hanaiky izany.

Ny eto amintsika indray, tonga saina tampoka ny mpitondra herintaona mialoha ny fifidianana fa misy tsy mety sy tsy azo iainana io lalàmpanorenana io. Miketrika inona indray izany izy ireo izao ? Aza hadinoina anefa fa anisan’ireo nampandany azy io, ireo mpitantana amperinasa ireo ary niady fo mafy tamin’io lalàmpanorenana nofidina amin’ny karnem-pokontany io. Tsy nankatoavin’ny ankolafin-kery maro sy ny teo anivon’ny sehatra iraisam-pirenena.  Nofaritina sy misongadina ao anatin’izany lalàmpanorenana izany fa ferana ho 35 taona no ho miakatra ny kandidà amin’ny fifidianana filoham-pirenena… Izany hoe akanjo na lalàmpanorenana natao ho an’i zandrikely tamin’izany…  Tsy mba natao hikatsahana ho an’ny tombontsoam-pirenena sy ny vahoaka fa natao ho an’ny mpitondra hatrany. Ny mampetimety azy ireo… Tsy mba hita amin’ny mpitondra ny finiavana hampandefitra ny hambom-po, fa  tsy maintsy mitady hevitra sy miketrika hatrany amin’ny fomba rehetra hijanonana maharitra eo amin’ny fitondrana.  Tsy mahagaga raha gisitra hatrany isika eo amin’ny fampandrosoana. Lany andro amin’ny kajikajy politika. Lany andro manova ekipa sy mpitantana. Lany andro amin’ny kabary, tsy mamokatra. Lany andro amin’ny fisehosehoana ivelany… Hitondra antsika hatraiza indray izao fanovana na hikitihana lalàmpanorenana izao, ka hampanantenana fa io vao tena izy sy hitondra fampandrosoana ?

Synèse R.

 

Les commentaires sont fermées.