Flash
Préc Suiv

Tenisy ambony latabatra : lasan’i Rondro sy i Sitraka ny volabe

Tenisy ambony latabatra  : lasan’i Rondro sy i Sitraka ny volabe

Fahombiazana ny andiany faharoa amin’ny «Open d’Antananarivo», taranja tenisy ambony latabatra, nokarakarain’ny seksiona Antananarivo Renivohitra, izay notontosaina teny amin’ny kianja mitafon’Ankatso, ny asabotsy sy omaly alahady.

I Sitraka, avy amin’ny Galaxy, ny teo amin’ny lehilahy ary i Rondro, mpilalaon’ny Jovenna, kosa ny an’ny vehivavy, no nandresy teo amin’ny sokajy “toute catégorie”. Lasan’izy mianadahy, araka izany, ny lelavola 280.000 Ar. Resin’i Sitraka, teo amin’ny famaranana, tamin’ny seta 4 no ho 2, i Itokiana, avy amin’ny Jovenna. Mbola noporofoin’i Sitraka indray ny maha tompondakan’i Madagasikara azy.

Tsy mbola afa-bela tamin’i Rondro kosa i Fanantenana, teo amin’ny vehivavy, satria nomontsaniny tamin’ny seta 4 no ho 0. Ho an’ny “U16” vehivavy, nahazo ny fandresena i Miantsa avy amin’ny Aro, izay nandavo an’i Mendrika. Teo amin’ny zazalahy, i Luciano, mpilalaon’ny Geco Sport, nanilika an’i Angelo, avy amin’ny Aro.

Nahatratra 165 mianadahy mianaka ireo mpandray anjara ka ankoatra ireo avy amin’Analamanga, nahatonga solontena koa i Moramanga, i Vakinankaratra, i Toamasina.

 Torcelin

 

Les commentaires sont fermées.