Flash
Préc Suiv

Underground Body Gym : toherina ny herisetra sy ny zava-mahadomelina

Underground Body Gym : toherina ny herisetra sy ny zava-mahadomelina

Anisan’ny toerana fitaizam-batana amin’ny alalan’ny fanatanjahantena sy mikolokolo ny fahasalamana ny Underground Body Gym, eny Tanjombato, izay nanokatra ny varavarany nanomboka ny 31 jolay lasa teo. Anisan’ny tanjona nanangana izany ny ady amin’ny herisetra sy ny zava-mahadomelina mahazo ny ankamaroan’ny tanora, amin’izao fotoana izao. Nomarihin’i Haja, anisan’ireo mpanabe ao amin’ny Underground Body Gym, fa saika ahitana toerana fisotroan-toaka avokoa ny elakela-trano eto an-dRenivohitra, ankehitriny, ka nanosika azy ireo hametraka izao efitra hanaovana fanatanjahantena  izao izany. Maro ny fomba itaizana ny vatana hita ao, toy ny «musculation”, “cardio fitness”, “aerobic”, “tae-bo”, “zumba». Efatra mirahalahy ny “coach”, izay efa nianatra manokana manokana momba ny fanatanjahantena misahana izany : i Haja, i Andry, i Riana ary i Jacques. Misokatra ny alatsinainy hatramin’ny asabotsy,  manomboka amin’ny 7 ora ka hatramin’ny 8 ora alina, ny Underground Body Gym Tanjombato. Nomarihin’ny coach Haja fa manasitrana ireo aretina maro ny fanaovana fanatanjahantena, toy ny aretim-po, ny sohika, ny fiakaran’ny tosidrà sy ny fahasarotam-piterahana ho an’ny vehivavy. 5 000 Ar isaky ny mikotrana ny sarany ho an’ny olon-tsotra te hitaiza vatana fotsiny  ary 60 000 Ar isam-bolana kosa ho an’ny mpikambana. Anisan’ny mampiavaka ny Underground Body Gym ny fananany ireo fitaovana hiaka farany toy ny «Altère» milanja 55 kg. Manainga ireo tanora eny Tanjombato sy Ambany Atsimo ny Underground Body Gym, hikotrana ao anatin’izao fialan-tsasatra izao. Tsy ho azy ireo ihany fa ho an’izay maniry ny hikolokolo vatana. Afaka manao izany ihany koa ny ankizy manomboka ny roa taona, saingy nomarihin’i Haja fa ny fibatana fonjamby ihany no tsy mbola azon’izy ireo atao.

Torcelin

 

Les commentaires sont fermées.