Flash
Préc Suiv

« Tafaray isika roa » : ratsy ny lafiny teknika…

« Tafaray isika roa »  : ratsy ny lafiny teknika…

Tsara fanomanana ve ? Nandiso fanantenana ireo mpijery tonga teny an-toerana ilay seho « Tafaray isika roa » notanterahin’i Farakely teny amin’ny CCEsca Antanimena, ny faran’ny herinandro teo. Niainga hatrany am-boalohany, tratra aoriana vao nanomboka. Tsy namoaka ireo nandrasana taminy ny soradihy teny an-tsehatra noho ny tsy fetezan’ny fiantefan’ny jiro teny amin’ireo mpandihy. Tahaka izany koa ny fanamafisam-peo sy ny pitsopitsony miaraka aminy toy ny « effets » isan-karazany. Toa nahitana tsy firindrana sy tsy fifandrohizana izany teo amin’ny mpitendry sy ny mpihira, sns.

Na teo aza ireo rehetra ireo, niezaka nanolotra ny kanto hatrany i Farakely sy ireo vahiny nasaina toa an’i Dama (tarika Mahaleo) izay nanokatra ny sehatra rahateo. Tahaka izany ihany koa ny tarika Randrantelo.

« Tafaray isika roa », fampisehoana nanehoan’i Farakely ilay fifamatorana eo aminy sy ny mozika… Saingy toa tsy tafapaka tany amin’ny mpijery kosa izay fifamatorana izay noho ny lafiny teknika ?

HaRy Razafindrakoto

Les commentaires sont fermées.