Flash
Préc Suiv

Rugby Analamanga : niondrika teo anatrehan’Ankady ny 3 F5

Rugby Analamanga  : niondrika teo anatrehan’Ankady ny 3 F5

Nitohy, tetsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka,  ny andro fahadimy eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ligin’Analamanga, taranja rugby, karakarain’ny «commission technique fédérale». Ny sokajy «Elite fédérale» avokoa no niakatra kianja, tamin’ity. Anisan’ny nisongadina  ny fandresen’ny US Ankadifotsy ny 3F5 Amboditsiry, tamin’ny isa mavesatra 70 no ho 7. Niady ihany ny lalao teo amin’ny tapa-potoana voalohany izay nisaraka tamin’ny isa 18 no ho 7, tsy naharaka ny hafainganam-pandehan’ny lalao nataon-dry Poune sy ry Dale ary Tianakely ny 3F5 saingy teo amin’ny fidirana faharoa, ka nahatonga ny isa iitatra be. Teo amin’ireo lalao hafa, resin’ny JSTA, tamin’ny isa 28 no ho 19, ny UIRC ary 25 no ho 15 kosa ny nanilihan’ny Savony ny XV Avenir. Resin’Ikopa, tamin’ny isa 41 no ho 11 kosa ny VTMA Antsalovana ary ny FTM Manjakaray nanilika ny Cosfa, tamin’ny isa 40 no ho 23.

Nanohy ny fifaninanana, tetsy amin’ny kianja Malacam, ihany koa ny ligy ka ny 3 FB, nandresy ny Cheminot, tamin’ny isa 28 no ho 16, ary ny IRC kosa, nanilika ny SOE, tamin’ny isa 19 no ho 16.

Tompondaka

Les commentaires sont fermées.