Flash
Préc Suiv

Ratsietison Jean-Jacques : « Aza manaiky hovidiana intsony amin’ny fifidianana »

Ratsietison Jean-Jacques  : « Aza manaiky hovidiana intsony amin’ny fifidianana »

« Rehefa misy fifidianana eto ka misy mizara vola, raiso fa volan’ny tena ihany iny zaraina iny. Aza mandray vola sady mifidy ilay olona, nefa tsy hanao fifanarahana izy hoe hiala raha tsy vitany ny ataony tamin’izany. Lasa takalon’aina iny vola iny. », hoy ny filohan’ny FMI, Ratsietison Jean-Jacques.

Mila manao fifanarahana ny mirotsa-kofidina; rehefa tsy vitany izany, miala izy. Raha tsy izany, fatorany mandritra ny dimy taona, toy ny amin’izao fotoana izao: mikaikaika, maty. Tongava saina, aza manaraka tsangan’olona intsony.

Nitondra ny tena nankaiza ny tsangan’olona? Dia mbola arahina… « Efa ao anatin’ny hady lalina isika amin’izao, nanaraka tsangan’olona hatramin’izay. Tsangan-kevitra amin’izay arahina », hoy izy.

Misy 1 825 andro ny dimy taona, araka ny fanazavany. Indray andro tamin’ny fifidianana ny tena no omena 10 000 Ar na 5 000 Ar. Zarao ny 1 825 andro izany: 6 Ar isan’andro no nividianan’ny tena. Asa, izay azon’ny 6 Ar amin’izao?

R. Nd.

Les commentaires sont fermées.