Flash
Préc Suiv

Nissi, hira evanjelika : « Bitsika avy any an-danitra ny tononkirako »

Nissi, hira evanjelika  : « Bitsika avy any an-danitra ny tononkirako »

 Rakotovao Hasinirina Nissi Cherelle, anarana fenon’ny tovovavy ary i Nissi no iantsoana azy amin’ny maha mpanakanto miangaly hira ara-pilazantsara azy. “Tsy ny aingam-panahy irery no ahafahako mamorona ireo hirako, fa eo indrindra mandrakariva ny fahenoako bitsika sy antso avy amin’ilay Ray Tsitoha maniraka ahy hanoratra tononkira sy feonkira sahaza izany”, hoy i Nissi.

Nomarihiny fa fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra izany ary tsy ataony raraka an-tany fa ezahiny hatrany ny hanapariaka sy hampita ny hafatra ho an’ny isan-tokonana amin’ny alalan’ny fandrafetana izany ho mozika kanto voaravaka soradihy mendrika sy raitra. Mozika maroloko, araka izany, no voiziny. Anisan’izany ny slow, ny bagasy, ny reggae…

Tombony ho azy rahateo ny fananana an-tanan-toha-peo mahatakatra ny avo ary afaka midina ambany ihany koa.

Tanjona ho azy ny hitarika ireo manam-panahy hiantoraka mandrakariva amin’Andriamanitra ary tsy hitsahatra ny hidera sy hanome voninahitra azy mandrakizay. Andalana amin’ny fiketrehana ny kapila mangirana andiany voalohany, ankehitriny, i Nissi. Anisan’ireo hira handrafitra izany ny “Hitako ny lalana”. Misokatra malalaka amin’ny fiaraha-miasa ny tovovavy ho fanabeazam-boho ny asa fitoriana.

Nanangona: HaRy Razafindrakoto

Les commentaires sont fermées.