Flash
Préc Suiv

Nentiny nitsoaka ny volan’ny “Gab” BNI Tsimbazaza : karohin’ny polisy i Yves sy ny 440 tapitrisa Ar

 215 tapitrisa Ar, miampy 225 tapitrisa Ar. Ireo ny totalin’ny vola tokony hamatsiana ny ”Guichet automatique de banque” (Gab) an’ny banky BNI Tsimbazaza, nentin-dRazakarivony Yves Daniel, nitsoaka, ny alakamisy antoandro teo. Karohin’ny polisy fatratra ity lehilahy ity amin’izao fotoana izao.

 

Mpiasan’ny banky BNI Agence ao Tsimbazaza ihany ity lehilahy voarohirohy ho nanodinkodim-bola mitentina amina miliara ity. Araka ny fanazavan’ny polisy, naharay fitoriana izy ireo fa tsy hita ny nanjavonan’ity lehilahy ity hatramin’ny afakomaly kanefa tokony hiditra hiasa tamin’ny 2 ora tolakandro tamin’io fotoana io izy. Niandry azy ihany ny tompon’andraikitry ny banky ao Tsimbazaza ka tamin’ny 5 ora hariva vao fantatra fa misy tsy mazavazava ao amin’ny kaontin’ny banky satria nisy vola tsy hita tao ka misy ifandraisany amin’izany ny nanjavonan’ity lehilahy mpiasan’ny banky ity. Nohamafisin’ny polisy hatrany, araka ny fitarainana voarain’izy ireo fa nisy versement naterin’ny orinasa Brink’s mitentina 215 tapitrisa Ar ho famatsiana ny “Guichet automatique de banque” (Gab) amin’ity herinandro ity. Mbola nisy ambim-bola 225 tapitrisa Ar anefa tao anatin’ny caisse fitoeram-bola.

Nandeha nisakafo ireo mpiasa tao amin’ilay banky tamin’io fotoana io ka teo no nanararaotan’i Yves namoahana ny vola rehetra tao amin’ny fitoerany. Izy rahateo ny mitana ny fanalahidin’ny fitoeram-bola ka tsy nanano sarotra ho azy ny namoaka ny vola rehetra tao amin’ny fitoerany.

Nampiasa fiara marika Clio…

Notateriny tamin’ny fiarany marika Renault Clio laharana 9881 TBB ireo volabe ireo ka lasa nitsoaka avy hatrany ary tsy hita intsony izy taorian’izay. Nohamafisini’ny polisin’ny BC fa firaisana tsikombakomba amin’ny olon-dratsy ny fampiantranoana azy ireny ka raisina ho isan’ny mpiray tsikombakomba aminy izay manao izany. Manentana ny vahoaka ny polisy mba hanome vaovao momba ity lehilahy ity fa horaisina ho tsiambaratelo ny mombamomba ireo olona manome loharanom-baovao ny polisy.

Afaka miantso ny laharan’ny polisy amin’ny alalan’ireto finday ireto izay manana loharanom-baovao momba ity lehilahy ity : 034 05 529 02  / 034 84 398 50.

Jean Claude

Toy izao ny mombamomba azy :

Razakarivony Yves Rivofantenana Daniel na i Yves ny tena anarany.

Teraka tamin’ny : 07 mey 1977 tao Ambatofotsy.

CIN N° : 117 431 001 654

Adireny nahitana azy farany : Lot IN 25 Anjomakely.

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique