Flash
Préc Suiv

Vao 20 taona… : efa indimy nigadra, manendaka ihany

Vao 20 taona…  : efa indimy nigadra, manendaka ihany

Tsy mety fay kanefa tratra foana! Tratran’ny polisy nanendaka teny Analakely, afakomaly tolakandro ny yovolahy vao 20 taona. Nisintona findaina ramatoa iray teny Tsaralalàna izy io. Araka ny fanazavan’ny polisin’ny boriborintany voalohany, efa nigadra indimy izy io kanefa izao mamerin-keloka izao hatrany. Ny 23 jona teo izy no nivoaka ny fonjan’Antanimora farany rehefa nahavita herintaona teny. Nilaza i Batritra fa efa tsy voaisany intsony ny fotoana nahavoatazona “violon” azy teto Antananarivo. “Raha ny teto amin’ny CSP.1 manokana, tamin’ny faha-13 taony izy no nihidy violon voalohany fa tratra nangarom-paosy. Nanomboka teo ny nahalalana azy ity ary matetika voasambotra amin’ny resaka harom-paosy sy sinto-mahery. Matetika voatonona ny anarany rehefa misy voaendaka harivariva eo amin’ny Arcade sy Tsaralalàna”, hoy ny polisin’Analakely.

Ankoatra azy ity, naterin’ny olona teny amin’ny polisy ihany koa ny iray hafa, izay saika niharan’ny fitsaram-bahoaka. “Vahoaka marobe no nirohotra nanatitra ity tovolahy ity teto amin’ny CSP.1 omaly hariva. Ilay lehilahy mpanao fampisehoana « magie » eo afovoan’ny Avenue Analakely sy polisy iray no nanenjika sy niaro ary nitondra azy an-tanana eto aminay, fa  niharan’ny fitsaram-bahoaka izy raha tsy izany”, hoy ny fanazavana.
Samy efa natolotra ny fitsarana izy roa lahy.

Yves S.

Les commentaires sont fermées.