Flash
Préc Suiv

« Mpanoratry ny taona 2016 » : hatolotra an’i Dafy Noely ny amboara

« Mpanoratry ny taona 2016 »  : hatolotra an’i Dafy Noely ny amboara

Koloiko sy hajaiko ny teniko (KHT). Mitohy hatrany ny hetsika ho fanabeazam-boho ny teny malagasy karakarain’io vondrona anaty tambajotran-tserasera « facebook » io. Voafidy ho « Mpanoratry ny taona 2016 » i Dafy Noely. Fantatra fa hatolotra ity mpanoratra monina any ivelan’i Madagasikara ity izay  amboara mari-pamantarana maha « Mpanoratry ny taona 2016 » azy izay. Hetsika hotontosaina ao amin’ny foiben’ny vaomieram-pirenena malagasy miara-miasa amin’ny Unesco, etsy Behoririka, ny 23 aogositra izao manomboka amin’ny 2 ora tolakandro. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana ny fiantsana ny sanganasan’i Dafy Noely, arahina feom-baliha, tafa mivantana aminy amin’izao fandalovany eto Madagasikara izao.

Maro ireo mpanoratra nametraka ny sanganasany ao amin’ny KHT. Nampiana ireo asa soratra nisongadina tamin’ireo fifaninanana nokarakarain’ity vondrona nandritra ny taona 2016. Naroso hofidin’ny olona izy ireny. Taorian’ny dingana roa tamin’ny fitsarana, 13 ny isan’ny voafantina. Nahazo ny laharana voalohany teo alohan’ny sanganasan’i Soamiely Andriamananjara sy ny an’i Barry Sirjon ny diampenin’i Dafy Noely.

Anisan’ny mpanoratra nametraka ny sanganasany maro indrindra ao amin’ny vondrona « Koloiko sy hajaiko ny teniko » i Dafy Noely. Maro nanaraka izay ihany koa ireo nifidy ny sanganasany ka izao nisalorany ny « Mpanoratry ny taona 2016 » izao.

HaRy Razafindrakoto

 

Les commentaires sont fermées.