Flash
Préc Suiv

Kitra any Eoropa : herintaona sy tapany… nahazo amboara enina i Zidane

Kitra any Eoropa  : herintaona sy tapany… nahazo amboara enina i Zidane

 Misongadina na teny ambony kianja? fony izy mbola nilalao? na amin’izao fotoana maha mpanazatra azy izao, i Zinedine Zidane. Hatramin’ny nitondrany ny Real de Madrid, nanomboka ny fiandohan’ny taona 2016 no ho mankaty mantsy, amboara enina no efa azony. Raha tsiahivina, indroa nandrombaka ny “Ligue des champions d’Europe”, ny taona 2016 sy 2017. Izy no mpanazatra voalohany nahavita nandrombaka izany indroa misesy. Teo koa ny «Super coupe d’Europe», izay lasany indroa misesy : ny tamin’ny taon-dasa sy ny tamin’ny talata lasa teo, izay nandreseny ny Manchester United, tamin’ny isa 2 no ho 1.

Ankoatra izay, ny nahazoany ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, ho an’ny klioba, ny taona 2016, ary ny naha voahosotra ny Real de Madrid ho tompondakan’i Espaina, tamin’ity taona 2017 ity. 55 ny lalao vitan’ny Real de Madrid ka indroa ihany izy ireo no tojo faharesena, hatramin’izay nitondran’i Zidane azy.

Raha ny endri-dalao sy ny herijikan’ny Real de Madrid, amin’izao fotoana izao, mbola betsaka ny maka azy ireo, amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa “Ligue des champions 2018”. Heverin’ny rehetra ihany koa fa mbola ho lasan’i Zidane  indray ny mpanazatra mendrika, amin’ity taona 2017 ity.

Tompondaka

Les commentaires sont fermées.