Flash
Préc Suiv

«Aina ity», hoy Rainimanonja !

«Aina ity», hoy Rainimanonja !

Aiza ihany izany no iainana ? Tsy andro tsy alina, tsy ambanivohitra, tsy an-tanàn-dehibe.  Mampihorohoro fatratra ny firongatry ny asan-jiolahy, raha tsy hiteny afa-tsy ny eto an-dRenivohitra. Tsy tahotra tsy henatra fa andro antoandrobenanahary izao rangahy ireto no manao ny ataony ny mpanendaka. Aiza ? Ao anaty fiara fitateram-bahoaka (taxi-be). Amin’iny lalana andaniny roa eny Andavamamba (Cenam), eo koa iny mihazo an’Ambodin’Isotry sy mivily mianandrefana, eo a 67 ha (garazy) mandra-pahatonga eny Ampasika. Ireo ny faritra… mena tena famelezan-dry zalahy. Malemy tsy mahavita na inona na inona ny mpandeha noho izy ireo mandrahona amin’ny basy mihitsy. Manoatra koa noho ireny mitanty rakitra any am-piangonana ireny ny hakany ny vola, finday, firavaka… na izay zavatra sarobidy eny aminao eny.

Betsaka ireo efa nitaraina, nampaneno lakolosy mikasika ity tranga vaovao hafakely ity, saingy… isan’andro vaky izao, mitobaka any amin’ireny tambajotran-tserasera (facebook) ireny ny filazana sy fampitandremana ny hafa. Asa, mba misy mahare izany fitarainana izany, na mahita ireny vaovao aparitaky ny olona ireny ve ny mpitandro filaminana ? Raha eny, inona ny mba fepetra maika noraisina ? “Aina ity”, hoy Rainimanonja ! Efa mihatra aman’aina ny zava-mitranga indraindray. Izay no mahatonga iry fanontaniana mipetraka ery ambony hoe : Aiza ihany izany no iainana ? Any an-trano, efa mandry an-driran’antsy mila tsy hahita torimaso. Eny ivelany indray, ny antoandro, izao ny zava-miseho.

Raha mba miteny ny mpitandro filaminana, toa ny vahoaka tsy tongotra hitsipaka, tsy tanana handrangotra hatrany no asaina mitandrina, hiangaviana fiaraha-miasa… Marihina, fa tsy mba antsy toy ny mahazatra intsony ny eny am-pelatanan’ireo mpanendaka fa basy mihitsy.

Fa inona fotsiny izany ny hataon’izy ireo ? Miandry vaovao avy amin’ny fiarahamonina fotsiny fa tsy avy hatrany dia mandray ny andraikiny. Izany no mpitandro filaminana handoavantsika vahoaka hetra, handoavana ny karamany isam-bolana. Mahavariana a! Mampieritreritra ! “Aina ity”, hoy Rainimanonja.

Randria

Les commentaires sont fermées.