Flash
Préc Suiv

Malagasy, ahina ho ringana…

Lasa lavitra ny heritreritr’ity raim-pianakaviana iray, niteny irery, avy eo lasa … « Afaka 50 taona any ho any, angamba, ny Malagasy no hahatongavan’ny mpizahatany eto sy hojereny », hoy izy, toa kivy ny amin’ny hoavin’ity firenena ity sy ny vahoaka ao aminy.

Rehefa dinihina lalina tokoa, toa efa manakaiky ny hahamarina izany. Tranga malaza, tato anatin’ny taona vitsivitsy izay, ny fakana tanin’olona amin’ny fomba isan-karazany : fanehoana « titre » tampotampoka teo, entina hakana tany efa nohajarina ampolo taona maro.

Eo koa ny fividianana velaran-tany goavana sy fitrandrahana harena an-kibon’ny tany, izay miteraka olana amin’ny mponina manodidina, toy ny fahalotoan’ny rano sotroina, sns.

Raha mitohy izany rehetra izany, hoy ny eritreritry ny sasany, ho betsaka ny Malagasy tsy hanana na iray dia akory aza.

Etsy ankilan’izay, mbola tsy foana fa vao mainka aza toa manao ranolava ny fanondrana an-tsokosoko ireo harena voajanahary, mampiavaka an’i Madagasikara. Ankoatra ny hazo sarobidy, toy ny andramena, lasabitra indrindra ireo karazam-biby tsy fahita raha tsy eto amintsika, toy ny sokatra. Ireny rehetra ireny anefa no tena mahaliana ny mpizahatany vahiny ka ahatongavany eto amintsika.

Mandritra izay rehetra izay, mihamihitsoka ao anaty lavaky ny fahantrana ny ankamaroan’ny Malagasy. Tsy vitsy ireo zara raha mahita hohanina indray mandeha isan’andro. Betsaka ny marary tsy mba afaka mitsabo tena noho ny fahalafosan’ny vidim-panafody. Mahalasa eritreritra hoe : atsy ho atsy, sanatria, angamba ho be ireo maty mosary, haharingana ny Malagasy ? Ho sanatria tokoa, ireo sisa tsy ringana no hojeren’ny mpizahatany eto ? Aza misy anie izany !

Landy R.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique