Flash
Préc Suiv

Fantina sy fintina

Nanolotra vola iray tapitrisa Ariary ho an’ny tanora eo anivon’ny fiangonana katolika any Antsiranana, niatrika ny JMJ, ny Praiminisitra Mahafaly Solonandrasana, ny alahady teo. Nitarika ny sorona masina tamin’izany ny evekan’Antsiranana, ny Mgr Ramaroson Benjamin. Tsiahivina fa nisolo tena ny fitondram-panjakana tany an-toerana ny lehiben’ny governemanta, tamin’izao famaranana ny JMJ izao.

Hiova fomba fiasa amin’ny andraikitra nankinin’ny fiangonana aminy, ny arsevekan’Antananarivo, ny Mgr Razanakolona Odon. Nambarany teny Fanoarivo, afakomaly fa anisan’ny antony tsy nahasalama azy ny tsy fahampian’ny fotoana ialana sasatra. « Tenin’ny mpitsabo izany ka hararaotiko koa », hoy izy sady nitsiky toy ny mahazatra. Na izany aza, efa miverina tanteraka amin’ny asany ity filohan’ny FFKM ity amin’izao fotoana izao.

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique