Flash
Préc Suiv

Vovonana tsiamialonjafy : « Latsaka an-katerena ny firenena »

Vovonana tsiamialonjafy  : « Latsaka an-katerena ny firenena »

Nitondra ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena ny eo anivon’ny Vovonana tsimialonjafy. Nasongadin’izy ireo fa tena misedra olana ny firenena amin’izao fotoana izao.

 

« Ny zava-misy, tena fantatsika tsara fa tena latsaka an-katerena ny firenena malagasy. Efa nolazaina teto izany hatramin’izay fa vokatry ny krizy misesisesy teto amin’ny tany sy ny firenena... « 

Io no nambaran’ny filohan’ny Vovonana tsiamialonjafy miaro ny soatoavina repoblikanina (VTSR), ny Dr Rabe Landry Olivier, ny faran’ny herinandro teo, momba ny toe-draharaham-pirenena amin’izao fotoana izao.

Naveriny indray fa tsy mitondra vahaolana teto amin’ny firenena ny fanonganam-panjakana tamin’ny 1972, 1991, 1996, 2001, 2009. Ny zavatra naterak’ireny aza, fitotonganan’ny harinkarena ary fahaverezana asa be dia be eto amin’ny tany sy ny firenena.

« Fantatsika ny zava-mitranga eto amin’ny tany sy ny firenena. Tena tandindomin-doza ny firenena malagasy amin’izao fotoana izao. Hitantsika fa misy ny fitokonana etsy sy eroa, misy ny fitarihana olona handeha an-dalambe…  » hoy izy.

Etsy ankilan’izay, tsy maintsy mandray ny andraikiny ny fanjakana: manao izay hifehezana araka izay heveriny fa mety an’ireny fihetsiketsehana ireny.

Ho azy manokana, vokatry ny fifanakalozan-kevitra tamin’ireo eo anivon’ny fanoherana, indrindra ireo matanjaka sy manana ny heriny: isaorany fa manokatra varavarana hahazoana mifampiresaka amin’ny fitondram-panjakana.

Ny krizy politika ve no mahatonga ny fahantrana sa ny fahantram-bahoaka noho ny afitsoky ny mpitondra no mahatonga ny krizy miverimberina?

R.Nd.

Les commentaires sont fermées.