Flash
Préc Suiv

Tselatra

Jiolahy miisa enina mitondra P.A sy antsy maranitra nanafika mpivarotra ambongadiny, tany Moramanga, ny zoma teo, tokony ho tamin’ny 7 ora hariva. Lasan’ireo jiolahy ny vola mitentina 9 tapitrisa Ariary . Olona roa no naratra, ka ny iray voatsindrona antsy ary ny iray kosa voatifitra tamin’ny tratrany. Ny zandary sy ny polisy ao an-toerana no nanao ny vonjitaitra nefa tsy tratra ireo jiolahy. Nentina eny amin’ny hopitalin’i Moramanga ireo naratra. Ny polisy no manao ny famotorana.

Nisy fiara roa avy any Ivato, nifanao aloha sy aoriana tonga teo amin’ny banky iray teny Antanambao, ary nivily haka vola tamin’ny Gab ireo fiara roa ireo, ny asabotsy tamin’ny 9 ora alina. Nisy moto nandeha mafy nanao taingin-droa avy aoriana ka nandona ny vodin’ilay fiara  iray tao aoriana. Olona iray naratra, simba ny moto.  Nidina teny an-toerana ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Talatamaty, nanao ny fizahana ifotony. Nalefa eny amin’ny Hopitaly loterana Ambohibao ny naratra, ny zandary ao ihany no misahana ny famotorana.

 

Les commentaires sont fermées.