Flash
Préc Suiv

Tselatra

Niafara tamin’ny fanapoizinana olona 11 mianaka ny halatra lavanila tao Marojala Sambava, ny talata teo. Tonga tao amin’ireto fianakaviana niharam-boina ireto ny renim-pianakaviana iray. Nitondra zava-pisotro efa nasiana poizina ity renim-pianakaviana ka niarahan’izy mianakavy nanala hetaheta. Tsy nahatsiaro tena izy 11 mianaka ny alarobia maraina ka olona nandalo no nahita ny trano nivoha. Nentina teny amin’ny hopitaly ireo niharam-boina. Tsy hita tao an-tranon’izy ireo ny lavanila nipetraka tao an-trano.

Lasan’ny jiolahy ny vola amina tapitrisa sy lavanila miampy fanafody ao amin’ny hopitaly ao Marogaona Sambava, ny alatsinainy teo. Sendra tsy tao ny mpiambina ka nanararaotra niditra avy any ambony tafon-trano ireo olon-dratsy. Najifan’ireo mpangalatra ny entana rehetra tao amin’ny hopitaly hatramin’ny lavanila karaman’ilay mpitsabo ho an’ireo olona tsy manambola hitsaboana tena.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique