Flash
Préc Suiv

Vaovao tambatra

Natao tany Soavinandriana Mandridrano ny fiofanana andiany faharoa mikasika ny fiahiana ara-tsosialy, iarahan’ny Cnaps sy ny FJKM. Niompana tamin’ny zon’ny mpiasa, ny adidin’ny mpampiasa, ny fanampiana omen’ny Cnaps (ho an’ny bevohoka, ny volan-jaza, ny vola ho an’ireo tra-doza am-perinasa, ny fisotroan-dronono, sns) ny fotoana. Marihina fa nohalavaina hatramin’ny 28 jolay 2017 ny fe-potoana farany fanavaozana ny taratasy mikasika ny fisotroan-dronono.

Hanamboatra lalana any Mahitsy koa ny Sinoa, antsoina hoe : “Lalan’ny atody. Fantatra izany nandritra ny tatitra am-bava nataon’ny minisiteran’ny Asa vaventy tao amin’ny filankevitry ny minisitra farany teo. Tsy fantatra ny antsipiriany, toy ny toerana tena hanaovana azy, ny tetibola, ny halavirany, ny fanombohan’ny asa, sns. Saika Sinoa avokoa no manao ny lalana vitaina ao anatin’ny fotoana fohy eto amintsika, toy ny eny Andohatapenaka hatreny amin’ny Vahilava. Tsy azo ampiasaina kosa ny Tsarasaotra-Ivato, satria tsy vita araka ny tokony ho izy.

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique