Flash
Préc Suiv

Tselatra

Naiditra am-ponja vonjimaika, afakomaly ilay lehilahy voalaza fa nisy tromba ka nanindrona antsy mpampianatra tao Mahajanga. Maty tsy tra-drano ilay niharam-boina tamin’io fotoana io. Avy nampanao fanadinana CEPE ilay mpampianatra ary nikasa handeha hamonjy ny vady aman-janany ka maty tsy tra-drano.

Maty lavon’ny bala ireo dahalo telo lahy tompon’antoka tamin’ny fanafihana tao Tsaratanana, ny herinandro teo. Roa hafa kosa azo sambo-belona. Nitranga fanafihan-dahalo nisesisesy tany an-toerana tao anatin’ny andro maromaro izay. Nisy mihitsy ireo namoy ny ainy vokatr’izany. Nahitam-bokany, araka izany, ny ezaky ny fokonolona sy ny zandary tany an-toerana ka niafara tamin’izao fahafatesana dahalo izao.

Les commentaires sont fermées.