Flash
Préc Suiv

Fametrahana ben’ny Tanàna – Ambahoabe : nandratra olona roa ny amboletran’ny HVM

Mitohy ny fihoaram-pefy… toy ny efa fanaony. Nanao amboletra nametraka ben’ny Tanàna tany amin’ny kaominina  Ambahoabe, any  Soanierana Ivongo indray, ny eo anivon’ny antoko HVM ny alatsinainy teo. Niteraka fifandonana sy tora-bato, vely kibay narahina horakoraka tsy fanekena anefa izany.

Tsy neken’ny vahoaka ny fanesorana ny olona voafidim-bahoaka. “Aoka izay ny hetraketrakareo HVM.  Leo tanteraka  izahay”, hoy ny hiakan’ny vahoaka. Naharitra ora maromaro  izany hetsika fanoherana nataon’ny fokonolona izany. Naratra mafy

nandritra izany ny olon-tsotra mpanara-dia ny “Prefet” indrindra ilay mpampianatra haiady iray, ny Me Randria Karabo sy i Farlin. Mbola ao amin’ny hopitaly Soanierana Ivongo izy roa lahy manaraka fitsaboana.

Raha tsiahivina ny fizotry ny tranga niseho, nidina tany an-toerana hametraka ben’ny Tanàna, Regis, hisolo ny ben’ny Tanàna voafidim-bahoaka,  Mananjara Fidson na Rasomotra ny delegasiona notarihin’ny prefet-n’ i Fenoarivo Atsinanana, Belahy Théophile, notronin’ny lefitry ny disitrikan’ i Soanierana Ivongo, miaraka amin’ny mpitandro filaminana efatra. Vory lanona tahaka ny fahita any ambanivohitra ny vahoaka  fa handray vahiny manan-kaja.  Nanodina ny resaka ho amin’ny fampahafantarana ilay dinan’ny fandriampahelamana ny “Prefet” teo am-panombohana ary namelabelatra ny anton-diany. Tampoka teo anefa  nivadika ho  fametrahana amin’ny fomba ofisialy an’ilay ambara fa ben’ny Tanàna, Régis izany ka nahatonga ny tsy fahafalian’ny vahoaka ary niteraka ny fifandonana.

Tranga fanintelony indray ity…

 Raha ny voka-pifidianana tany an-toerana anefa, nahazo ny 38%  mahery ny ben’ny Tanàna Rasomotra, avy amin’ny Tim ary efa nahavita ny fianianana teo imason’ny vahoaka. Efa niasa tao anatin’ny herintaona mahery. Maherin’ny 29% mahery kosa ny vato azon’ity olon’ny HVM, natao amboletra napetraka ity.

Ankoatra izany, efa fanintelony ny tranga tahaka izao tany Fenoarivo Atsinanana. Teo ny niseho tany Antanifotsy sy ny tao Ampasimbe, Manatsatrana niteraka faty olona roa ary ity any Ambahoabe ity indray.

Fomba fiasa sy fihetsika tahaka izany no ifampitondrana eto amin’ny firenena. Efa herintaona mahery aty aoriana ny nahalany ny ben’ny Tanàva vao hoesorina amin’ny toerany. Tsy mazava.

Sajo sy Randria

Les commentaires sont fermées.