Flash
Préc Suiv

“Hajao ny ray sy reninao”

Vita, omaly iny ny fetin’ny ray. Niezaka nanao araka izay vitany ny renim-pianakaviana sy ny zanaka, nahatsiaro tamin’ny fanomezana sy nahandro sakafo mihoatra amin’ny mahazatra. Matetika aloha, aty an-tanàn-dehibe no tena ahitana izany satria aoka ho fantatry ny mpamaky, fa fankalazana sy fomba vahiny no ahafantarana ny fetin’ny ray sy ny reny.

Aoka kosa hazava fa tena nanome hasina ny raim-pianakaviana sy ny renim-pianakaviana, indrindra ny fizokiana, ny Malagasy. Tsy andro iray ny hanomezan-danja ny ray sy ny reny na ny ankizy, fa iainana ao anatin’ny fiainana andavanandro mihitsy. Hanamarinana izany, fantatry ny rehetra ny haja omena ny raim-pianakaviana, tsy mandray sotro ny ankohonana raha tsy mihinana aloha ny ray na ny zokiny indrindra ao an-trano, ohatra. Nomen’ny Ntaolo Malagasy haja koa ny reny satria « nitondra 10 volana an-kibo ny zanaka, kitapo nifonosana », « antoky ny fampandehanana ny fiainana isan-tokantrano ». Hita taratra koa izany amin’ny fisakafoana, ny vodiakoho ho an’ny raim-pianakavina, ny feny an’ny zandriny, ny elany an’ny vavy, sns. Amin’ny firafitry ny firahamonina,  “ny zoky olan-teny, ny zandry olan’entana”, midika hoe manana didy handray anjara amin’ny fitenenana ara–piarahamonina,an-kafaliana na an-karatsiana na samihafa ny zoky, ary natao irahina sy hitondra entana ny zandry.

Tsy hita intsony anefa ankehitriny izany fanajana ny zoky sy ny raiamandreny izany any amin’ny tany tandrefana, milaza azy fa tany mandroso, amin’ity hoe mira lenta ity (??!!).

Maro ny mpamaky tsy hitovy hevitra amin’ny lahatsoratra. Tsy azo lavina izany, fa tsy azo lavina koa, fa tsy vitsy koa ny kristianina. Raha tsy diso ny fanoratana, teny voasoratra hoe : “manajà ny rainao sy ny reninao”. Izany hoe, resaka fanajana tsy mifanipaka avokoa izany amin’ny fahendrena malagasy, na ny fomba kristianina, na ny vahiny tandrefana. Aoka kosa anefa, tsy tsihonontsinoavina ny maha Malagasy na ny fitandroana ny teny malagasy, matoa avoaka amin’ny teny malagasy ranoray ny gazety Taratra, satria efa fandraisana anjara lehibe amin’ny fanomezan-danja ny maha antsika ity gazety ity. Iray volan’ny teny malagasy rahateo ity volana jona ity. “Am–bava homana, am-po mieritreritra”.

Njaka Andriantefiarinesy

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique