Flash
Préc Suiv

Fiaraha-miasan’ny tanàn-dehibe : hifandray amin’ny CUA ny tanànan’i Tswane

Fiaraha-miasan’ny tanàn-dehibe : hifandray amin’ny CUA ny tanànan’i Tswane

 Hiara-kiasa sy hisokatra amin’ny hafa. Tafaverina an-tanindrazana, afakomaly, ny ben’ny Tanànan’Antananarivo, Ravalomanana Lalao rehefa avy niatrika ny fivoriamben’ireo Renivohitra afrikanina tatsy Pretoria, Afrika Atsimo. « Azo antenaina ny fiaraha-miasa amin’ny rehetra, indrindra amin’i Afrika Atsimo. Naneho fahavononana hifandray amintsika izao ny ben’ny Tanàn’i Tswane ary  hifampizara ireo traikefa ananany, hita fa mahomby », hoy izy teo am-pahatongavana teny Ivato . 28 ireo ben’ny tanàna avy amin’ny tanàn-dehibe afrikanina niatrika izany. Niompana amin’ny fampandrosoana maharitra eny anivon’ny Renivohitra ny lohahevitra nodinihina tao anatin’ny telo andro.  Eo koa ny famelabelarana ireo tetikasa 12. Anisan’izany ny fambolena an-dRenivohitra ka nitondran’ny ben’ny Tanàna, Ravalomanana Lalao famelabelarana sy ny heviny. Eo koa ny olana momba ny  fitaterana, ny fahasalamana, ny fotodrafitrasa ary ireo rehetra momba ny eny amin’ny tanàn-dehibe.

Synèse R.

 

Les commentaires sont fermées.