Flash
Préc Suiv

Faha-50 taon’ny Pecto : nisy ny “Flash mob” lehibe teny Antaninarenina

Faha-50 taon’ny Pecto : nisy ny “Flash mob” lehibe teny Antaninarenina

Nandritra ny herinandro izay ny fankalazana ny faha-50 taon’ny vatomamy Pecto. Niavaka kosa ny fanamarihana ny asabotsy teo, satria nisy ny diabe niainga teny Ampefiloha sy Antanimena, samy nihazo an’Analakely hamonjy ny tohatohabaton’Antaninarenina. Olona miisa 1.300 tany ho any, samy nitafy ny lokon’ny Pecto no nanatontosa ny filaharana nandritra izany.
Hanatontosa ny “Flash mob” goavana ny tanjona tamin’io, teny amin’ny tohatohabaton’Antaninarenina. Ilay hira “Pecto Aoé” an’i Jaojoby no nanaovana ny soradihy niombonana nandritra iany. Naharitra 30 minitra teo ho eo ny hira sy dihy niarahan’ny rehetra, tamin’io. Niaraka tamin’ireo mpiasan’ny vondrona Basan sy ny JB, nandritra izany, ireo mpandalo teny.
Marihina fa hitohy any Toliara ny fankalazana ny 27 hatramin’ny 4 jolay izao. Mbola handalo any amin’ireo tanàn-dehibe hafa ihany koa izany, aorian’izay.

Zo ny Aina

Les commentaires sont fermées.