Flash
Préc Suiv

Miaraka amin’ny Terre en melées : raikitry ny rugby any an-tsekoly

Miaraka amin’ny Terre en melées   : raikitry ny rugby any an-tsekoly

 Sambany eo amin’ny tantara, iarahana amin’ny Terre en melées. Hotanterahina etsy amin’ny Malacam Antanimena, ny 25 jona izao, ny famaranana eo amin’ny fifaninanam-pirenena ho an’ny rugby an-tsekoly. Ialohavan’ny fifanintsanana any amin’ny isam-paritra izany ka efa nahavita ny azy  ny faritra avaratra, natao tany Ambanja ny volana mey teo. Nandray anjara tamin’izany ireo mpianatry ny kolejy avy any Boeny sy i Betsiboka ary i Diana. Nibata ny fandresana ary hisolo tena iny faritra iny ny zazavavy avy any Betsiboka sy ny zazalahy avy any Diana. Hiakatra aty Antananarivo izy ireo hanohy ny lalao ny 24 sy ny 25 jona izao. Nanamarika ny lalao ny nanaovana diabe teo an-tanàna, niarahana amin’ireo tanora ao Ambanja. Eo koa ny atrikasa fanentanana momba ny fahasalamana, ny fiarovana ny tontolo iainana ary ny fanehoana ny fotokevi-dehibe mibaiko ny Rugby solidaire. Manampy ireo ny fifanakalozan’ny samy tanora sy ny fivoizana ny kolontsain’ny faritra avy.

Efa tontosa ny 27 mey teo kosa ny fifaninanana ho an’ny faritra afovoany, natao tany Fianarantsoa.

Tsiahivina fa anisan’ny mpanohana mavitrika ity rugby an-tsekoly ity ny eo anivon’ny BFV-SG, Orange Madagascar, Groupe Star, Groupe Taloumis, Taf, World Rugby, ny ambasadin’i Frantsa. Eo koa ny avy amin’ny Tozzi Green. Mpanomana sy mpikarakara kosa ny Malagasy Rugby sy ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ary ny Terre en melées.

Synèse R.

 

Les commentaires sont fermées.