Flash
Préc Suiv
Logo Free News

FITONDRANA RAJAONARIMAMPIANINA : Tsy mahavita adidy, kanefa tsy menatra ny midoka tena

Manoloana ny fahantrana mianjady lalina amin’ny firenena ankehitriny, marobe ireo asa tokony ho notontosain’ny Fitondrana Rajaonarimampianina Hery sy ny ekipany, saingy any amin’ny resaka fanampiana ireo sahirana no andokafan’izy ireo ny tenany. Tsy tambo isaina ireo adidy tsy vita, toy ny fametrahana fotodrafitrasa isan-karazany, ny fitsinjovana ireo ianjadian’ny kere any Atsimo, kanefa variana miedinedina amin’ny fanampiana tsy mahavita taona…

Fanampiana tsy mahavita taona ve sisa no ireharehan’ny fitondrana ho mahavita zavatra eto amin’ny firenena? Kabary fampandriana adrisa matetika no re sy heno tahaka ny notanterahin’ny filoham-pirenena Rajaonarimampianina mivady, izay notronin’ny mpikamban’ny governemanta, niaraka tamin’ireo mpikamban’ny antoko HVM, teny amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy fanatanjahantena Mahamasina, ny farany teo. Anisan’ny nimatimatesan’izy ireo teny an-toerana ny fizarana vary tamin’ny kilao sy tsaramaso tamina fianakaviana sahirana nahatratra 8000 teo, manerana ny boriborintany enina eto an-drenivohitra.

Toa milaza miara-mahita anefa, raha manambara fa andraikitry ny mpitondra ny miahy ny vahoaka, indrindra indrindra fa ireo tena marefo. Ny zavatra tahaka ireny tsy tokony hireharehana befahatany satria tena andraikitry ny mpitondra ny fiahiana ara-tsosialy. Ny adidy aman’andraikitry ny mpitondra ary tsy maintsy sahaniny anefa, ny fanorenana fotodrafitrasa, ny fametrahana ny laoniny fandriampahalemana sy ny filaminana amin’ny ankapobeny.

 Tsy ilaina resaka mitsambikimbikina!

 Andraikitry ny fitondram-panjakana ny fampandehanan-draharaha eto amin’ny tany sy ny firenena, ary tsy ilaina fireharehana befahatany ny fanatontosana izany. Ny zava-bita sy tomombana araka ny tokony ho izy mankany amin’ny fampandrosoana no tokony hireharehana sy tokony hampiedinedina. Saingy, marobe ireo nampanantenaina fa mbola resaka ambony vavahady no betsaka. Na nisy aza, ny fanampiana ireo vahoaka sahirana, tokony hanara-dalàna sy manaja ny rafitra misy ny avy amin’ny fitondrana Rajaonarimampianina. Tsy vitan’ny resaka mitsambikimbikina fotsiny ny fampiharan-dalàna. Nampiaka-peo, ohatra, ny mpanolotsaina manokan’ny ben’ny Tanànan’Antananarivo, Ravalomanana Marc, fa tokony hisy ny fanarahan-dalàna ny amin’ny fampilazana ny ben’ny Tanàna, saingy odian-tsy hita ny raharaha. Notsindriany fa tsy fanampiana ireo marefo akory no tsy ekeny fa ny tsy fanarahan-dalàna tanterahin’ny fitondrana. Manaporofo sahady ny zavatra tahaka izany ny amin’ny amboletra tanterahin’ny fitondrana, izay tsy tokony hampihevotrevotra sy hampitsambikimbikina fahatany. Ny antony, ny lehibe no tokony ho fitaratra amin’ny fampiharan-dalàna.

Ny andraikitry ny filoham-pirenena

Nivoitra nandritra ny fanomezana fanampiana ny olona marefo teny amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina ny filazan’ny filoham-pirenena, Rajaonarimampianina Hery, ny fiandohan’ny herinandro teo, fa mila mametraka fanontaniana amin’ny tenany ny tsirairay hoe : “Izao ataoko izao ve mampandroso ny firenena na amin’ny sehatra inona amin’ny sehatra inona?”. Karazany manaratsy tena tahaka ny omby hantsika ihany ny filoham-pirenena manoloana izany lahateny izany satria mihavosa ireo andraikitra tokony hotanterahiny, saingy ambany maso tsy hita hatrany ny maro anisa. Raha telo volana, ohatra, ny nanafoanana ny delestazy, efa telo taona aty aoriana mbola maro no nikaikaika. Amin’izao fotoana izao aza, mbola velon-taraina momba io delestazy io ny any Mahanoro. Ankoatra izany, ireo ekipa miaraka amin’ny filoha toa manao tsinontsinona ireo izay tsy ao anaty fitondrana, tafiditra amin’izany ny mpanohitra, izay heverin’izy ireo fa tsy misy ilana azy ireo amin’ny fanatanterahana andraikitra eto amin’ny firenena. Saingy, tsy mbola tara izy ireo amin’ny fanitsiana ny fomba famindra, indrindra eo amin’ny fitananana ny firenena. Mitaky finiavana lalina anefa izany.  

Vahaolana ho an’ny mponina any Atsimo 

Nahatratra 21 ny sora-panekena nenti-namaha ny olan’ny mponina tany Atsimo mahakasika ny resaka kere. Anisan’ny nanao sonia izany ny mpikambana folo tao anatin’ny governemanta, izay nandray anjara tamin’ny fikaroham-bahaolana maharitra tsy miverimberina any Atsimo, ny 19-20 febroary 2016 tany Ambovombe Androy. Anisan’ny tompon’antoka tamin’izany ny minisiteran’ny Mponina sy ny minisiteran’ny Toekarena sy ny planina. Nandritra io fitsidihana sy fakan-kevitra io no nampirotsa-dranomaso ny minisitry ny Mponina, Onitiana Realy tamin’izany. Mby aiza ankehitriny? Tena ranomasom-boay tokoa… tsy vokatry ny fo fa fihatsarambelatsihy. Tafiditra ao anatin’ny sora-panekena ny fitarihan-drano lehibe miainga avy any Efaho, Menarandra, Mandrare, Manambovo, ny fanaovana tohodrano lehibe; ny fanarenana ny lalana RN10, RN13, ary ny RN17. Ankoatra izay, ny fanaovana lavadrano mifandraika amin’ny resaka fambolena sy fiompiana ary ny jono. Manampy ireo ny fambolen-kazo amina toerana midadasika ary ny fanatanterahana ny Vatsin’ankohonana sy ny maro hafa… Firifiry tamin’ireo sora-panekena no tanteraka? Aman-tapitrisany ireo Malagasy mbola mijaly noho ny resaka kere sy ny haintany. Ny fisehoana ivelany tamin’ny resaka fihaonana an-tampony tamin’ny Comesa sy ny Frankôfônia no nahadodona azy ireo fa ny fahoriam-bahoaka kosa, lasa natao an-jorombala. Naleon’izy ireo nandany vola amina miliara amin’ny vahiny toa izay hijery ny fahantram-bahoaka. Sa izany tokoa ny hoe : Ny vahiny aloha vao ny Malagasy?

Ny Fanoratana

Les commentaires sont fermées.