Flash
Préc Suiv
Logo Free News

FIARA MINI COOPER NAHAFATY OLONA : Naverina eny amin’ny polisy indray ilay mpamily Niakatra fampanoavana

Izao no vokatry ny fitondrana fiara rehefa mamo.

Omaly, ilay mpamily nitondra fiara Mini cooper nahafaty olona mianaka tetsy Alarobia, ny fiandohan’ny herinandro teo. Marobe ireo olona mahitahita miditra an-tsehatra mitady hevitra ny tsy hampidirana am-ponja ity tovolahy izay mamo nitondra fiara nahafaty olona ity. Raha ny loharanom-baovao, voatery naverina eny amin’ny polisy ity tovolahy ity ary nohalavaina 24 ora ny fitazomana azy, izay vao hiakatra fampanoavana etsy Anosy indray. Raha ny fantatra, nitady hevitra fatratra ireo olona mahitahita ireo nanao fifampiraharahana, ary lasa nanatsoaka ny fitoriany ny fianakavian’ny maty. Na inona anefa fomba tanterahina, tsy hanakana ny fitsarana tsy hanao ny asany ny zava-nitranga satria namoizana ain’olona roa be izao. Azo antoka fa hanenjika hatrany ny eo anivon’ny Fampanoavana na nisintona ny fitoriana aza ny fianakaviana. Loza mitatao ho an’ny firenena rahateo raha tsy faizina ny mpamily izay mamo sy mamoa-doza ho an’ny fiarahamonina.

Saika niharan’ny fitsaram-bahoaka

Tsiahivina fa fiara roa nifanenjika no nahatonga ny loza dia ilay fiara Mini cooper sy Golf Type IV. Tsy nahafehy intsony ny familiana ilay nitondra ity fiara Mini cooper ka nifatratra tany amin’ireo mpandeha teny amin’ny sisin-dalana. Mbola nanao vavabe indray ity mpamily ity fa “voavidiny ny aina”, raha ny voalazan’ireo nanatri-maso. Io teny io no antony nahatonga ny olona saika hanatanteraka fitsaram-bahoaka. Soa fa tonga malaky ny polisy nandamina ny raharaha teny an-toerana. Na izany aza, nitroatra hatrany ireo olona tonga marobe teo, ka raha tsy nisy ny fandefasana baomba mandatsa-dranomaso tsy niparitaka ireo olona.Tonga mbola nanampy ireo polisy teny an-toerana ny avy eo anivon’ny zandarimaria nanampy isa ny polisy fa raha tsy izany nivadika zavatra hafa ny raharaha. Andrasana, araka izany, ny tohin’ity lozam-piarakodia nahafatesana olona roa tsy manan-tsiny ity.

Pierre M.

Les commentaires sont fermées.