Flash
Préc Suiv
Logo Free News

AMBODISAINA TOAMASINA II : Noravan’ny fitsarana ny didy mandroaka ny mponina

AMBODISAINA TOAMASINA II : Noravan’ny fitsarana ny didy mandroaka ny mponina

Saika noravana hatramin’ny sekoly ibeazan’ny mpianatra.

Fandresena ho an’ireo vahoakan’ny fokontany Ambodisaina, kaominina Toamasina suburbaine, distrikan’i Toamasina II, ny didim-pitsarana nivoaka omaly, tao amin’ny Lapan’ny Fitsarana Toamasina. Rava ny didim-pitsarana izay saika handroahana ireo mponina teo amin’io toerana nisian’ny ady io. Nitebiteby fatratra ireo mponina miisa 600, ahitana trano 284 tafo, izay niharan’ny resaka hosoka mahakasika ny tany mirefy 20 ha 67A 29Ca. Nambaran’ny solontenan’ny fikambanana Fimatata fa tsy ara-dalàna ny taratasy nananan’ilay olona antsoina hoe Patrick Poujois Félicien nahazo “titre” tampoka io tany io. Voatery nampiakatra ny raharaha teo anivon’ny Fitsarana ambony ny tarik’i Doka Bernard satria tsy nahafapo azy ireo ny didim-pitsarana nivoaka voalohany. Vaky barara anefa ny resaka, fa hosoka avokoa ny taratasin’i Patrick Poujois Félicien ary tsy notanterahina araka ny tokony ho izy ny dingana ho fizaka-manana ny tany. Ankoatra izay, hosoka avokoa ny ankabezan’ny taratasy teo am-pelatanan’izy ireo satria tsy misy sonia ny sasany. Raha ny fantatra, efa ny 6 septambra 1989 no nangatahin’izy ireo ny tany tamin’ny alalan’i Doka Bernard, saingy izao nisy nanana “titre” tampoka ka tsy neken’ny mponina efa nanajary sy nanamainty molaly tao an-toerana.

Na noheverina fa resy aza ny mpitory tamin’ny didim-pitsarana tao amin’ny ambarantonga voalohany, nitohy ny ady teny amin’ny fitsarana ka izao tonga amin’ny fanakanana ny didy mandrava ny tanàna izao. Misaotra ny fitsarana ny Fikambanana Fimatata satria nitsara araka ny hitsiny tokoa ny Fitsarana. Mbola mitohy ny ady ary milaza ny tsy afa-po tamin’ny didy nivoaka ny ankilany.

Pierre M.

Les commentaires sont fermées.