Flash
Préc Suiv
Logo Free News

OTRIKAFO : « Tahotra ny ho voatsara no tsy hananganana ny HCJ »

Manoloana ny tsy fanarahan-dalàna tanterahin’ireo mihevitra ny tenany ho tsy tsimatimanota eto amin’ny firenena, nitondra ny fanehoan-keviny momba ny tsy hananganan’ny fitondram-panjakana ny Fitsarana avo ahafaha-mitsara ny olona ambony na ny “HCJ” eto amin’ny firenena. “Na tamin’ny andron’ny filoha Ratsiraka Didier, na tamin’ny andron-dRavalomanana Marc, samy tsy nisy sahy nanangana ny Fitsarana avo ahafaha-mitsara olona ambony. Na amin’izao fitondrana Rajaonarimampianina izao aza, mitady haka tahaka an’izay koa”, hoy Rajaonah Andrianjaka, filohan’ny antoko Otrikafo, ny farany herinandro teo. Nohazavainy fa matahotra ny ho voatsara ireo mpitondra no antony tsy hananganana io rafi-pitsarana iray io. “Voalaza ao anatin’ny lalàmpanorenana fa 10 volana aorian’ny fianianan’ny filoham-pirenena dia tokony hitsangana ny Fitsarana avo ahafaha-mitsara olona ambony ity. Antony iray ahafahan’ny solombavambahoaka manongana azy izany”, hoy izy.

Fandrebirebena fotsiny

Nahitsy ny filohan’ny antoko Otrikafo nilaza fa “ fandrebirebena vahoaka fotsiny ny momba io rafi-pitsarana io. Ny fitsarana tsotra dia tokony hahafaha-mitsara ireo olona ambony ireo, indrindra indrindra ireo manodinkodina ny volam-bahoaka tsy ara-drariny”. Tafiditra ao avokoa ireo olona ambony, izay tratra manao fanodinkodinam-bolam-panjakana, toy ny solombavambahoaka, ny loholona, ny mpanolotsaina, eny hatramina filoham-pirenena aza. Ny mampalahelo amin’ny toe-draharaham-pirenena eto amintsika, raha ny fanampim-panazavany, fa tsy nitsaha-niteny ny filohan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana mahakasika ny fampiharan-dalàna fony izy mbola mpikamban’ny Sefafi, saingy nangina tsy niteny izy nony lasa filohan’io andrim-panjakana io. “Tsy ara-dalàna sady tsy ao anatin’ny lalàmpanorenana ireny fifanarahana andraikitra navoakan’ny filohan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ireny. Tsy manaja ny lalàna ny filohan’io andrim-panjakana io, ny amin’ny fanonganana nataon’ny solombavambahoaka ny filoham-pirenena, saingy zavatra hafa no nasaina notanterahin’ny roa tonta”, hoy Rajaonah Andrianjaka. Hatraiza ny tena fampiharana ny tany tan-dalàna eto amintsika raha miseholany ny manao tahaka ny fary ka ny lohany indray no matsatso.

Pierre M.

Les commentaires sont fermées.