Flash
Préc Suiv
Logo Free News

MPAMPIANATRA MPIKAROKA : Hampiato tanteraka ny fampianarana afaka 72 ora

Noho ny tsy fanajan’ny fitondrana ny didy laharana faha-1214-2009 nivoaka tamin’ny 06 oktobra 2009, namoaka fampitandremana ny teo anivon’ny mpampianatra mpikaroka sy ny mpikaroka mpampianatra mivondrona ao anatin’ny Seces, amin’ny tokony hanajany izany ao anatin’ny 72 ora. “mikasika ny indemnité de logement sy indemnité de résidence io fifanarahana io, izay nohamafisin’ny fifanarahana tamin’ny fitondrana ankilany sy ny Seces andaniny, natao teny amin’ny lapan’i Mahazoarivo tamin’ny 10 septambra 2015”, hoy ny fanambarana izay nataon’ny Seces. Raha toa tsy tanteraka ny fampanatenana voafaritr’io didim-panjakana sy ny fifanarahana io dia hampiato tanteraka ny fampianarana ny eo anivon’ny Seces. “Tsy nahitam-bokany ny fifampiresahana izao natao, efa saika isam-bolana, tamin’ny minisitera mpiahy (Mesupres, Mfb ndlr) ary tsy nahitam-bahaolana ny fihaonana tamin’ny filohan’ny antenimieran-doholona dia voatery hiditra tsy fidiny amin’ny fampiatoana tanteraka ny asa fampianarana sy ny asa fikarohana izahay manerana ny oniversiten’Antananarivo sy ny foibem-pikarohana nasionaly rehetra”, hoy ihany izany fanambarana izany. Mbola hisy araka izany ny fivoriana izay ataon’ny mpikambana eo anivon’ny Seces-sampana Antananarivo anio talata 23 mey amin’ny 9 ora maraina ka ho hita eo ny tohin’ity fangatahana izay nataon’izy ireo ity.

HR

Les commentaires sont fermées.