Flash
Préc Suiv
Logo Free News

SARERAKA : “Aleo hanao ny asa an-kahalalahana ny mpitsara”

Manoloana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny, nahitsy avy hatrany i Sareraka fa hahatonga korontana eto amin’ny firenena ny fikitikitihana mpitsara manao ny asany. “Aleo hanandrana raha sahy”, hoy ity mpikambana teo anivon’ny CST teo aloha ity, ny farany herinandro teo. Raha ny fanazavany, mikendry ny hanao fanaparam-pahefana amin’ ny mpitsara, indrindra fa ny Filohan’ ny SMM, Fanirisoa Ernaivo, izao fitondrana mijoro izao. Matoa mbola tsy mitroatra ny vahoaka, mbola misy ny zavatra andrasany, saingy raha tonga amin’ny mety fikitihana ny mpitsara ny raharaha, tsy mitomoe-midonaka toa volon’orona akory ny vahoaka fa handray ny andraikiny marina. Tsy marin-toerana intsony ny fiainam-pirenena satria mandalo karazana olona maro samihafa. “Iza no tena manakorontana ny fiainam-bahoaka amin’izao? Ny vahoaka efa sahirana amin’ny fitadiavana ve sa ireo mpitondra fanjakana mangalatra volam-bahoaka, manampy trotraka ireo mpitsara voasembantsembana amin’ny asa tanterahiny?”, hoy hatrany Sareraka.

Tsy nitsitsy fitenenana izy nilaza “fa vola tokony hanatsarana ny fiainam-bahoaka, kanefa ahodinkodin’ny sasany tsy araka ny tokony ho izy. Nanentana ny mpitsara ity CST teo aloha ity mba tsy ho kivy manoloana ny sakantsakana amin’ny fanatanterahana ny asany. “Tsy tokony hihemotra ianareo amin’ny fampiharana ny tany tan-dalàna sy ny fampiharana ny marina araka ny hitsiny. Tsy andrasana Fitsarana avo vao azo tsaraina ireo mpitondra nanodinkodina volam-bahoaka ireo”, hoy izy. Nanteriny fa efa niseho teto amin’ ny tantara, ny nitsarana ireo olona ambony tahaka an’Andrianarivo Tantely, Ravalomanana Marc. Ny iray Praiminisitra ary ny iray efa filoham-pirenena, saingy tsy nilaina Fitsarana avo nahafaha-nitsara azy ireo.

Pierre M.

Les commentaires sont fermées.