Flash
Préc Suiv

Rakotoniaina Pety… : « Tsy miraharaha fiainam-bahoaka ny mpitondra »

Rakotoniaina Pety…  : « Tsy miraharaha fiainam-bahoaka ny mpitondra »

Tsy aiza ny fitsinjovana ny fiainam-bahoaka? Tsy miraharaha izany ny mpitondra eto, raha ny fijerin-dRakotoniaina Pety.

« Solombavambahoaka sy ny Antenimierampirenena tsy miraharaha fiainam-bahoaka no misy amin’izao fotoana izao. Tsy misy zavatra manjary amin’izao fotoana izao. Potika ny firenentsika, satria lasa mpitondra tsy miraharaha antsika no mitondra antsika. »

Io ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny antoko Tambatra ary efa solombavambahoaka teo aloha, Rakotoniaina Pety, manoloana ny fahasahiranam-bahoaka ankehitriny. Raha jerena ny fandaharam-potoana, tamin’ny 2 mey no nanomboka ny fivoriana ara-potoana voalohan’ny parlemanta. Nefa amin’ny 31 mey vao hihaona amin’ny governemanta ny Antenimierampirenena.

« Tena mampalahelo sady mahasosotra ny mieritreritra an’izany », hoy izy. Raha ny tena tokony ho izy, vao nanomboka ny fivoriana: tokony ho nisy zavatra nodinihina momba ny fiainam-bahoaka. Eo ny asan-dahalo, ny kolikoly, ny fisondrotry ny vidim-piainana… Be dia be ny zavatra tokony hodinihina.

Nefa tsy izany no atao, fa variana fotsiny mifampiraharaha ny solombavambahoaka sy ny fitondram-panjakana: miaro ny toerany ny ankilany; ny andaniny, miaro ny tombontsoany fa te hahazo fiara 4 x 4, araka ny fanazavany.

Hisy àry sa tsia ny fitsapaham-pitokisana hataon’ny Antenimierampirenena ny governemanta amin’izany? Na ho azon’ireo solombavambahoaka ihany ny fiara 4 x 4 hoe takalony… Raha tsy izany, misy ny « mikarama » fotsiny izao?

R. Nd.

Les commentaires sont fermées.