Flash
Préc Suiv
Logo Free News

OLANA ENY ANKATSO : Handray fepetra koa ny mpampianatra mpikaroka

Ahina ho lasa rodoben’ny mpampianatra sy mpianatra ny olana miseho eny amin’ny oniversiten’Ankatso. Hivory maika amin’ity anio ity koa mantsy ireo mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra handihina izay tokony ho fepetra raisin’izy ireo. “Eo anatrehan’ny fanaovana tsinontsinona ny fitakiana ny fampiharana ny zo aman-kasina mbola tsy nositrahin’ireo mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra, hisy fivoriambe hanapahan’ny mpikambana rehetra ny hetsika tokony hatao eo anatrehan’ny tsy fandraisan’ny fitondram-panjakana ny andraikiny amin’io fotoana io (ndlr: anio). Ambara ampahibemaso izay tapaka ao amin’izany fivoriana izany”, hoy ny filazana nampitan’ny mpitondra tenin’ny SECES, Syndicat des enseignants-chercheurs et chercheurs-enseignants de l’enseignement supérieur, tamin’izany. Tsy ny eto Antananarivo irery ihany, araka ny fampitam-baovao hatrany, no hanao ity fivoriambe ity fa manerana ny faritra mihitsy.

Efa niala nenina

Raha ny voalaza, efa niala nenina nanatona ny tomponandraiki-panjakana izay tratra antso ny biraon’ny sendikàn’ny mpampianatra mpikaroka, saingy tsy nahita vahaolana ka tsy maintsy handray izao fepetra izao. Nazava ny fanazavan’izy ireo fa “fialana nenina farany no natao tamin’izany” ka izao tsy maintsy hirosoana izao ny fandraisana ny hevitr’ireo mpampianatra mivondrona ao anatin’ny SECES hijerena izay tokony hatao. Raha izao ny zava-mitranga, ny eo mbola tsy mikatona akory, ny an’ny mpianatra, izao efa mandrangaranga izao sahady ny an’ny mpampianatra mpikaroka. Ampitaina eto amin’ny gazety izay hevitra tapaka amin’io fivoriambe ataon’ny mpampianatra mpikaroka io rehefa vitan’izy ireo izany fivoriana izany.

HR

Les commentaires sont fermées.